Afa-jaza matetika : ahoana no atao mba tsy hitebiteby rehefa bevohoka ?
Toe-javatra mahafaly sy mampisy fanantenana ny fitondrana vohoka rehefa avy afa-jaza, na indray mandeha na maromaro. Na eo aza nefa io hafaliana io dia mety misy ihany koa matetika ny tebiteby. Ara-dalàna tokoa ny tahotra sao sanatria ho afa-jaza indray. Marihana nefa fa tsy mety amin’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny miaina anatin’ny tebiteby. Ahoana ary ny fomba atao hiainana am-pitoniana ny vohoka taorian’ny fahafahan-jaza ?
Fantarina sy ekena ny fihetseham-po
Isan’ny fomba iray manampy ny bevohoka hiainana am-pitoniana ny fitondrana vohoka taorian’ny fahafahan-jaza ny famantarany sy ny fanekeny ny fihetseham-pony. Tsy tokony hamaivanina na lavina ireo fihetseham-po tsapa. Ny tahotra, ny tebiteby, ny alahelo, eny na ny fanameloan-tena dia samy « réactions normales » aorian’ny fahafahan-jaza. Mila zaraina sy resahana amin’ny vady, ny fianakaviana, ny namana na amin’ny mpiasan’ny fahasalamana izany mba hahamaivamaivana ny fo.
Miezaka tsy manao be fanahiana
Fanaon’ny bevohoka ny mamisavisa zavatra maro manodidina ny fitondrany vohoka. Eo amin’ireo efa afa-jaza matetika dia zavatra ratsy matetika no eritreretina betsaka. Mba hiainana am-pitoniana ny fitondrana vohoka dia fadiana ny manao be fanahiana. Mila hay ny manavaka ny olana tena misy sy ireo olana visavisain’ny saina, toy ny hoe « ahoana raha toa ka afa-jaza indray izaho » ? na hoe « ahoana raha misy olana ny valin’ny fitiliana natao » ? Tsy voatery mitovy ny vohoka rehetra, raha sanatria tsy nety ny teo aloha dia tsy midika izay fa tsy hety avokoa ny vohoka manaraka.
Tsy mandany fotoana be loatra eo amin’ny aterineto
Maro tokoa ankehitriny ny bevohoka tia mikaroka ao amin’ny aterineto ireo zavatra mahaliana na mampanahy azy mikasika ny fitondrana vohoka. Misy ireo mitsidika tranonkala manokana mikasika ny reny sy ny zaza ary misy ireo miditra amin’ireny « forums » na tambazotra sosialy ireny mifampiresaka amin’ny olona samihafa. Marihana nefa fa tsy voatery marina sy azo antoka 100% ireo zavatra hita sy voaresaka ao amin’ny aterinato. Tsy voatery mitovy ny toe-batanan’ny vehivavy tsirairay, ny fahasalamana… Mba tsy ahazoana hevitra diso ary mety vao maika hampitebiteby dia tsara raha ny mpitsabo na ny rasazy ihany no hanantonana raha misy zavatra manitikitika ny saina.
Fehezina ny tebiteby amin’ny andavanandro
Ilaina tokoa ny mifehy ny tebiteby amin’ny andavanandro mba tsy hampahazo vahana izany mandritra ny fitondrana vohoka. Atomboka amin’ny fitadiavana ny antony nahafa-jaza sy ireo anton-javatra mety nahatonga izany mba ahafahana mitandrina. Ankoatra izay dia miezaka manana fomba-fiaina ara-pahasalamana, toy ny sakafo voalanjalanja, fampihetseham-batana, fahampiana torimaso… hampitony ny saina sy ny vatana. Raha azo atao dia manantona « psychologue » manana fahaizana manokana mikasika ny « fertilité » sy ny « deuil périnatal » mba ahazoana ny fanohanana ara-tsaina ilaina.