Bevohoka lasa be orona sy tarehy : tranga fahita sy tsy dia misy ahiana
Fotoana iray isian’ny fiovana maro sy mahavariana eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Misy amin’ireo fiovana ireo no manelingelina sy mety tsy mampahazo aina, toy ny fitomboan’ny orona sy ny tarehy. Na dia ara-boajanahary azy izy io dia mety hampanahy ny bevohoka indraindray. Inona ary ny mahatonga ny bevohoka lasa be orona sy tarehy ? Oviana no tokony hanahy manoloana izany ?
Ireo antony mety mahatonga ny bevohoka lasa be orona sy tarehy
Maro tokoa ny vehivavy matahotra ny ho lasa be orona sy be tarehy rehefa bevohoka. Toe-javatra tsy tokony hisy ampanahy izy io satria tafiditra anatin’ireo fiovana ara-batana miseho mandritra ny fitondrana vohoka. Maro ireo antony mety mahatonga azy io ka anisan’izany ny :
Fiovan’ny hormonina
Ny fiovan’ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka, indrindra ny « oestrogène » sy ny « progestérone », dia mahatonga fiovana maro eo amin’ny vatan’ny bevohoka ka anisan’izany ny fitomboan’ny orona sy ny tarehy. Rehefa mitombo ny tahan’ny « oestrogène » dia mandrisika ny fivelaran’ny lalandrà sy mampisy « rétention d’eau ». Ny « progestérone » kosa dia manampy amin’ny fanalefahana ireo hozatra malama ao amin’ny « parois vasculaires » ka mahatonga ny fiandronan’ny « fluides » ao amin’izy ireo.
« Rétention d’eau » sy ny fitomboan’ny fikorian’ny rà
Mitombo ny habetsaka sy ny fikorian’ny rà ao amin’ny vatan’ny bevohoka mba hamaliana ireo filànan’ilay zaza ao am-bohoka. Io fitomboan’ny fikorian’ny rà io dia mety mampibontsina kely ny « tissus », indrindra ireo ao amin’ny faritra marefo toy ny tarehy sy ny orona. Ny « rétention d’eau » kosa, izay hamafisin’ny fihinanana sira sy ny tsy fahampiana rano, dia mety vao maika mandrisika io fitomboan’ny tarehy sy orona eo amin’ny bevohoka io.
Fomba fisakafoanana sy ny fisotroana rano
Mitana anjara lehibe eo amin’ny fandrindrana ny fivontosana mandritra ny fitondrana vohoka ny sakafo hoanin’ny bevohoka. Ny sakafo be sira loatra dia mety mahatonga « rétention d’eau ». Ny tsy fisotroana rano tsara kosa dia manampy amin’ny fampihenana ireo fivontosana sy fanariana ireo « fluides » miangona. Mila mihinana sakafo be otrikaina sy misotro rano tsara izany ny bevohoka mba hamerana ny fivontosana, indrindra ny eo amin’ny tarehy sy ny orona.
Oviana no tokony hanany ny bevohoka lasa be orona sy be tarehy ?
Mila fantarina ny fahasamihafana eo amin’ny fivontosana « ara-dalàna » sy « tsy ara-dalàna » mandritra ny fitondrana vohoka. Raha somary mivonto na mitombo kely ny haben’ny tarehy, orona, tanana sy tongotra dia tsy tokony hataintaina satria zavatra « normal » izany.
Raha toa kosa ka tampoka be na lehibe loatra ilay fivontosana, indrindra raha miaraka amin’ny soritr’aretina toy ny hoe marary an-doha be, manjavozavo ny fahitana, marary ny kibo… dia mila mailo. Ireo fambara ireo dia mety manambara fahasarotana toy ny « prééclampsie ». Mila manantona mpitsabo avy hatrany arak’izany raha miseho ireo fambara ireo.
Torohevitra mba hamerana ny fivontosana mandritra ny fitondrana vohoka
Maro ireo karazana torohevitra manampy mba hamerana ireo fivontosana mety mitranga mandritra ny fitondrana vohoka :
-Misotro rano tsara mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ary tsy be sira ;
-Manetsiketsika vatana matetika, tsy voatery fanatanjahantena mafy be ;
-Atao miakatra ambony ny tongotra rehefa mipetraka fa tsy avela hitsotsorika ela ;
-Manao akanjo mampahazo aina, tsy maneritery.