• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Fanabeazana aizana : Ireo tsara fantatra mikasika ny DIU (stérilet)

20/03/2024 10:13 © Moov.Mg

Anisan’ireo fomba fanabeazana aizana manintona vehivavy maro ny DIU noho izy maharitra hatramin’ny 12 taona sy izy tsy misy tsiry mpanentana. Azo antoka tsy maha bevohoka tokoa ve izy io ? Inona ny lafy tsaran’ny fampiasana azy sy ny mety ho lafy ratsiny ? Fantaro ireo tsara fantatra mikasika ny DIU.

Inona no atao hoe DIU ?

Ny DIU (Dispositif Intra-Utérin), antsoina ihany koa hoe « stérilet en cuivre » dia fandrindram-piterahana kely miendrika T ampidirina ao anatin’ny tranon-jaza. Mirefy manodidina ny 3,5 cm eo ny halavany ary misy kofehy vita amin’ny varahina (cuivre) mifamatotra amin’ny rambony. Marihana fa mandaitra 99,6% ny DIU raha tafiditra sy mipetraka tsara. Hatokisana 99,5% kosa nefa izy raha toa ka misy tsy mety ny nametahana azy.
Tsy mila fandidiana ny fametrahana sy famoahana ity « stérilet en cuivre » ity. Tsy marary ny fampidirana azy ka tsy ilaina fampiasana « anesthésie ». Ny fisintomana ny vozon'ny tranon-jaza mba hahitsy mandritra ny fametahana azy kosa no mety hamparary sy hampandeha rà.

Ahoana ny fomba fiasan'ny DIU ?

Amin’ny maha fitaovana fandrindram-piterahana azy dia miaro amin’ny vohoka tsy niriana ny DIU. Ny varahana misy aminy dia manova ny hery fiarovana ao anatin’ny fivaviana ka mahatonga izany ho asidra kokoa. Rehefa tafiditra ao ny tsirinain’ny lehilahy (spermatozoïdes) dia maty.
Raha toa kosa ka misy matanjaka be ny tsirinaina ka mbola tafaporitsaka any anaty tranon-jaza ary tafatambatra amin’ny atodin’ny vehivavy (ovule) ihany dia tsy ho tafajanona ao amin’ny tranon-jaza izany atody izany. Ny fisian’ny DIU ao anatin’ny tranon-jaza dia mampanify ity farany ka tsy mahatazona ny atodin’ny vavy nitambatra amin’ny tsirinaina.

Inona no mety ho fiantraikan’ny DIU eo amin’ny vatana ?

Satria moa tsy misy tsiry mpanentana ao anatin’ny DIU dia tsy manakorontana ny tsiry mpanentana ao amin’ny vatana izy io. Izany hoe tsy mampahia ary tsy mampatavy. Tsy manahirana ihany koa ny hametrahana zaza aorian’ny faneserona azy.
Ny DIU dia mampiakatra ny tahan’ny « feerritine » ao anatin’ny vatana. Izany dia mahabetsaka ny fadimbolona. Izany hoe mety ho lasa betsaka kokoa ny rà mandeha, na/sy mety maharitra elalela kokoa ny fadimbolana. Izany habetsahan’ny rà mandritra ny fadimbolana izany dia mety mitarika tsy fahampian-drà. Ilaina noho izany ny manara-maso ny tahan’ny « ferritine » rehefa mampiasa DIU.
Amin’ny ankapobeny dia milamina io fadimbolana io 6 volana aorian’ny nametahana ny « stérilet au cuivre », fa mety mitohy ihany koa nefa izany miankina amin’ny toe-batan’ny tsirairay. Isan’ireo antony mahakivy ny vehivavy mampiasa azy moa izany.
Eo amin’ny vehivavy sasany dia mety hisy rà volontany mandeha aloha kelin’ny fahatongavan’ny fadimbolana. Misy ihany koa ireo mandeha rà, anelanelan’ny « cycle », izay tsy fadimbolana akory. Ny fahatsapana mamaivay ao anaty tranon-jaza vokatry ny DIU no mety mahatonga izany. Tsara ihany ny hanarahan'ny rasazy na mpitsabo an'izay rà mandeha izay sao dia aretina.
Satria manova ny hery fiarovana ao anaty fivaviana ny DIU dia lasa mora ny fidiran'ny aretina ao : anisan’izany ny « mycoses vaginales » ary indrindra ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo. Mora hidiran’ity farany ny vehivavy manao DIU miray amin’ny lehilahy maro na koa raha miray amin’ny vehivavy maro ny vadiny.

Iza avy ireo tsy azo mampiasa ny DIU ?

Fomba fandrindram-piterahana azo antoka ary azo ampiasain’ny vehivavy mbola tsy niteraka sy ireo efa niteraka ny DIU. Misy ihany koa nefa ireo tsy azo mpampiasa izany toy ireo vehivavy :
-Ahiana na efa voamarina fa mitondra vohoka ;
-Misy olana ny tranon-jaza ;
-Misy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ;
-Matetika misy vaingan-drà ny lalan-drà ;
-Vao avy niteraka « voie basse » latsaky ny 1 volana ;
-Vao avy afa-jaza vao haingana, izany hoe latsaky ny 3 volana ;
-Vao avy niteraka nodidiana na koa nandalo fandidiana ny tranon-jaza latsaky ny 3 volana ;
-Misy aretina ny fivaviana ;
-Tsy mahazaka varahana (allergie au cuivre).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo