• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pharma Gdd
Image
Reny&Zaza

Ireo fikarakarana ny nono mandritra ny fitondrana vohoka

06/02/2024 15:38 © Moov.Mg

Anisan’ny fikarakarana mila atao mandritra ny fitondrana vohoka ny fikolokoloana ny nono, indrindra ho an’ny vehivavy misafidy ny hanao fampinonoan-dreny. Izany dia mba hisorohana ny lohanono tsy hitriatra na ho vakivaky, ny nono tsy hiziatra sy hanaintaina… Araho ary ireo torohevitra hikarakarana ny nono rehefa bevohoka.

Diovina tsara ny lohanono mandritra ny fitondrana vohoka

Maro tokoa ny mpampinono efa nandalo izany lohanono mitriatra, maratra sy manaintaina izany nandritra ny volana voalohany nampinonoana ny zaza. Mba hisorohana izany dia mila diovina isan’andro ny lohanono mba tsy ho vakivaky sy hitriatra rehefa mampinono. Rehefa avy mandro dia kosehana moramora amin’ny vovoa nasiana rano mafana ny lohanono sy ilay faritra matroka manodidina azy.
Atomboka amin’ny faha 5 volana ny kibo no anaovana izany. Azo kosehana amin’ny vovoa nasiana « glycérine » sy rano ihany koa. Rehefa akaiky ho teraka dia misy an’ilay tsiranoka mavo mivoaka eo amin’ny nono. Diovina tsara amin’ny vovoa misy rano sy savony hatrany ny nono satria raha maina dia mety ho lasa tako-pery.

Orina matetika amin’ny menaka zava-maniry ny vata-nono

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mitombo miadalana ny haben’ny nonony satria miomana hamokatra rononon-dreny. Mila orina matetika amin’ny menaka zava-maniry, toy ny « huile d’amande douce » ny vata-nono mba hampalefaka sy « souple » ny hoditra.
Izany dia manampy ny hoditra hihitatra lehibe nefa tsy ho vaky. Ny fahavakisan’ny hoditra rehefa mitombo ny nono no mampiforona ny tsatsakoatra sy mampangidihidy ny vata-nono.

Sintosintomina ny lohanona raha milentika

Mila jerena tsara ny lohanono rehefa bevohoka sao sendra milentika. Sarotra kokoa ho an’ny zazakely ny mitsetsitra izany rehefa minono izy. Ankoatr’izay moa dia mety haratra sy ho vakivaky ilay lohanono satria tsy voatsetsitr’ilay zaza araka ny tokony ho izy.
Mba hisorohana izany dia mila sintosintomina moramora sy matetika amin’ny tanana ny lohanono milentika mandritra ny fitondrana vohoka. Mila mahavatra tsara mba hampivoaka ny lohanono sy hahamora ny fampinonoan-dreny.

Lire la suite

Articles Similaires