• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France 3 Régions-Franceinfo
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny zaza tsy tonga volana (prématuré)

23/01/2024 11:50 © Moov.Mg

Anisan’ireo zavatra atahoran’ny bevohoka ny hiteraka zaza tsy tonga volana na hoe « prématuré ». Inona no atao hoe zaza tsy tonga volana ? Inona no antony mety mahatonga izany ary ary inona no mety ho fahasarotana misy eo amin’ilay zaza ?

Inona no atao hoe zaza tsy tonga volana ?

Maharitra 41 herinandro na 9 volana sy tapany aorian’ny fijanonan’ny fadimbolana (semaina d’aménorrhée na SA) ny fitondrana vohoka ara-dalàna. Raha teraka alohan’ny faha 37 herinandro aorian’ny fijanonan’ny fadimbolana ny zaza na 37 SA, izany hoe latsaky ny 8 volana sy tapany dia izay no atao hoe zaza tsy tonga volana na « prématuré ».
Marihana fa misy ambaratonga telo ny fahaterahan’ny zaza tsy tonga volana :
-ny « prématurité moyenne » izay mahakasika ny fahaterahan’ny zaza eo anelanelan’ny 32 hatramin’ny 36 herinandro aorian’ny fijanonan’ny fadimbolana, izany hoe vohoka 7 volana hatramin’ny 8 volana.
-ny « grande prématurité », izany hoe ny fahaterahana eo anelanelan’ny 28 hatramin’ny 32 SA na ny vohoka 6 volana hatramin’ny 7 volana.
-ny « très grande prématurité » ho an’ireo zaza tsy tonga volana teraka talohan’ny 28 SA, izany hoe vohoka latsaky ny 6 volana.

Inona ny antony mahatonga ny zaza tsy tonga volana ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny zaza ho teraka tsy tonga volana na « prématuré ». Anisan’izany ny :
-« prématurité induite », izany hoe voatery navoaka ilay zaza noho ny aretina tampoka nahazo ny reniny ka tsy maintsy nodidiana ity farany ;
-areti-mitaiza ilay reniny efa talohan’ny nitondrany vohoka ary mety nahatonga fahasarotana teo amin’ny fahasalamany izany, toy fiakaran’ny tosi-drà, diabeta, areti-po….
-aretina vao niseho tamin’ilay reniny nandritra ny fitondrany vohoka, toy ny « diabète gestationnel », « pré-éclampsie », « infections », « fibrome », « placenta prævia » … ;
-reny efa nahazo taona na mbola tanora loatra ;
-zaza kambana 2 na 3 na mihoatra ;
-tsy fahatomomban’ny « fœtus » ;
-tsy fahatomombanan’ny « tranon-jaza » ;
-havizan’ny reny be loatra ;
-fahasahiranana ara-piveloman’ny reny sy ny rarintsaina mandritra ny fitondrana vohoka ;
-fifohana sigara, fisotroana toaka na fandraisana zava-mahadomelina.
Mety ho tsy fantatra ihany koa anefa izay mety ho antony mahatonga ny zazakely iray ho teraka tsy tonga volana.

Inona avy no mety fahasarotana misy eo am zaza tsy tonga volana ?

Rehefa teraka tsy tonga volana ny zaza dia mazava ho azy fa mbola tsy maoty avokoa ny taova mandrafitra ny vatany. Izany indrindra no antony mahatonga azy ireny arahi-maso akaiky any amin’ny hopitaly rehefa teraka. Miankina betsaka amin’ny ambaratongan’ny fahaterahana tsy tonga volana moa ny fahasarotana mety misy eo amin’ilay zaza. Anisan’ireo fahasarotana mety hitranga, nefa tsy voatery, ny :
-aretin’ny taovam-pisefoana ;
-fahasarotana amin’ny fiaina « syndrome de détresse respiratoire » ;
-mety ahitana tsy fahatomombanana ny taovam-pandevonan-kanina ;
-« anémie » na tsy fahampiana rà ;
-« jaunisse » ;
-olana amin’ny fahenoana (surdité) ;

Lire la suite

Articles Similaires