• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Springerlink
Image
Reny&Zaza

Fantaro ireo antony mety hahasampona ny zaza ao am-bohoka

15/01/2024 10:32 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra atahoran’ny ray aman-dreny mandritra ny fitondrana vohoka ny hoe sao sanatria sampona ny zaza ao an-kibo. Mafy tokoa ary tena mampalahelo izany manana zanaka misy fahasamponana izany. Fa inona tokoa ny antony mety mahatonga ny fahasamponan’ny zaza ao an-kibo ary inona ny fitandremana tokony ataon’ny bevohoka ?

Inona no atao hoe fahasamponan’ny zaza ao an-kibo ?

Ny fahasamponan’ny zaza ao an-kibo, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « malformations congénitales » dia tsy fahatomombanan’ny « tissu » na ny taova hatrany am-bohoka. Marihana fa tsy zavatra hita maso toy ny sima, rantsan-tanana mihoatra… ihany no atao hoe fahasamponana. Misy ihany koa ireo tsy hita ety ivelany toy ny taova tsy niforona ara-dalàna, tsy miasa tsara na banga mihintsy.
Mizara karazany roa ny fahasamponana. Ny voalohany dia ireo atao hoe « malformations majeures » izay mampisy kilema lehibe ilay zaza teraka ary mety mitarika amin’ny fahafatesana mihintsy. Ny faharoa dia ny « malformations mineures » izay tsy misy fiantraikany atahorana ho an’ilay olona. Misy ireo karazana fahasamponana hita rehefa misafo ny bevohoka. Misy ihany koa ireo tsy hita raha tsy efa teraka ilay zaza na rehefa any aoriana mihintsy.

Ireo anton-javatra mety mahatonga fahasamponana eo amin’ny zaza ao an-kibo

Tsy fantatra mazava ny mahatonga ny ankamaroan’ny fahasamponan’ny zaza ao an-kibo. Misy kosa nefa ireo anton-javatra efa voafaritr’ireo manampahaizana fa mety hiteraka fahasamponana fahasamponana, toy ny :
-Olana ara-jenetika, izany hoe ny ray na ny reny na izy roa no efa nitondra tsy fahatomombanana ka miampita amin’ny zanaka na ny taranaka izany. Mety mahatonga olana ara-jenetika mitarika fahasamponan’ny zaza ao am-bohoko ihany koa ny mpihavana akaiky mifampiteraka ;
-Aretin’ny reny mitondra vohoka, toy ny aretina vokatry ny bakteria, ny « parasite » na viriosy. Anisan’izany aretina izany ny « toxoplasmose », « rubéole » na koa ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ;
-Tsy fahampiana na fihoaran’ny singa sasany ao amin’ny vatan’ny vehivavy mitondra vohoka, toy ny tsy fahampiana ioda, « fotale », vitamina B3… Na koa mihoatra ny vitamina A ;
-Fifohana sigara, fisotroana toaka na fandraisana zavamahadomelina mandritra ny vohoka ;
-Bevohoka Diabeta tsy voahara-maso ;
-Reny bevohoka tratry ny « radiations ionisantes » matetika na mandritra ny fotoana maharitra ;
-Bevohoka mikirakira na manakaiky akora simika na « pesticides » ;
-Fianjeran’ny bevohoka ;
-Fihinanana fanafody sasany.

Inona ary no fitandrema atao hisorohana ny fahasemponan’ny zaza ao an-kibo ?

Tsy azo sorohana 100% ny fahasamponan’ny zaza ao an-kibo satria misy ireo anton-javatra mahatonga izany tsy azo idovirana, toy ny olana ara-jenetika. Misy kosa nefa ireo fitandremana azo atao mba ampihena ny risika mety mahatonga izany fahasamponana izany :
-Atao avokoa ireo fitiliana rehetra takiana amin’ny bevohoka mba hitsaboana ny aretina mety mahatonga fahasamponan’ny zaza ao an-kibo ;
-Tsaboina ara-dalàna ny diabeta raha misy izany ny vehivavy mitondra vohoka ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana ary atao masaka tsara ny hena ;
-Fadiana ny mifoka sigara, misotro toaka ary mandray zavamahadomelina rehefa bevohoka ;
-Fanafody omen’ny mpitsabo ihany no ampiasaina rehefa mitondra vohoka ;
-Tsy mampiasa vatana be loatra mandritra ny 3 volana voalohan’ny fitondrana vohoka satria eo no miforona ny taovan’ny zaza ao am-bohoka.

Lire la suite

Articles Similaires