• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Le_Tarpin_Bien
Image
Sexualité & Mariage

Fetin'ny taombaovao 2023 : Tandremo ny fanapoizinana ara-tsakafo !

01/01/2023 03:39 © Moov.Mg

Miantso antsika Malagasy rehetra hitandrina amin’ny fihinanana sakafo sy fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ny ankamaroan'ny fianakaviana malagasy dia hianoka hanim-pitoloha anio, voalohan'ny taona 2023. Satria fifaliana no katsahina, dia ho somebiseby tokoa ireo renim-pianakaviana sy tanora hikarakara sakafo mafilotra. Mba hisorohana ny loza, dia tsara ny mitandrina hatrany.

Tandrovy ny fahadiovana. Ataovy madio tsara ny eo ambony latabatra, ireo akora sy ireo fitaovana rehetra ampiasaina ;

Sakafo vao avy novidiana (frais) ihany no karakaraina ;

Ario avy hatrany ireo hena manta (charcuteries) somary misy fofona ;

Fadio ny mampifangaro maionezy (mayonnaise) amin'ny boaty sy nahodina tanana ;

Raha azo atao, ranom-boankazo natoraly sy rano no atao eny ambony latabatra.

Raha misy hazan-dranomamy na hazan-dranomasina ny sakafo, dia tsara ny mihinana voasary makirana (citron). Aza adino ny mihinana legioma sy voankazo mba hialana amin'ny aretim-bavony sy ny aretina samihafa azo avy amin'ny fihinanana menaka be loatra. Ho an'ireo manaraka fitsaboana manokana, tsara ny manaraka ny torohevitry ny mpitsabo mikasika ireo sakafo fadiana.
_Lanjalanjao ny fisotroana alikaola. Aza mandray familiana, na fiara na kodiarandroa, raha nandray alikaola ianao. _

*Mirary fety sambatra ieren-doza ho anao ny Moov.mg. Ho taom-pahombiazana anie ity taona 2023 ity. *

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo