• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Madagasikara

Fitafy Gasy - Lamba Landy : Isaloran'ny velona, ifonosan'ny maty

27/01/2023 06:54 © Moov.Mg

Lamba tsy lefy laza eto Madagasikara ny lamba landy. Araka izany anarany izany, azo avy amin'ny biby atao hoe "landy" io lamba io.

Lamba landy, lamba mihaja entina amin'ny lanonana miavaka

Fanambadiana, famoahana mpikabary, fanolorana mari-boninahi-pirenena, fety mihaja isan-karazany.... Ireo fotoana manan-danja amin'ny tsirairay sy amin'ny firenena dia azo itafiana lamba landy avokoa. Maro ireo mpankafy fitafy Malagasy no mampanjaitra akanjo gasigasy. Marihana moa fa azo atao tsara ny mampivady ny lamba landy amin'ny lamba soga na lambahoany, arakaraky ny didiny sy ny mampiavaka manokana ilay akanjo.
Ho an'ny Malagasy eto Imerina, maro amin'ireo zokiolona vehivavy no mitafy lamba landy rehefa hamonjy trano fiangonana na filanonana.

Lamba landy, amonosana ny maty

Manan-kaja tokoa ny maty amin'ny Malagasy. Rehefa misy fahoriana, lamba landy no amonosana ny maty. Tsy adino kosa nefa ny tamba tavoahangy atao manolo-koditra.
Ho an'ireo taranak'andriana, mena midorehitra ny lamba landy atao ivelany. Marihina moa fa loko mateza vita amin'ny akora natoraly no ampiasain'ireo mpanao lamba landy mba ahazoana loko samihafa.

Mpanenona landy, any Ambositra no tena maro

Tsy vitsy ireo mpanenona landy amin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Mihavitsy hatrany nefa ireo misehatra amin'ny fanenonana landy noho ny fahasimban'ny tontolo iainana. Tsy mora ihany koa ny mitaiza landy. Maty ireo biby raha vao tia ady sy malahelo ny mpitaiza azy ireo. Raha sendra misy fahoriana, misasa sy mibango tsara aloha vao miverina manantona ireo landy.
Tsy akanjo na lamba fisalotra ihany no azo amboarina amin'ny landy. Tsy vitsy ireo mpamorona no mahavita satroka, poketra, kapa sy firavaka isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo