Randja Zanamihoatra : "Malagasy mankany" no tononkalo tena hahafantarana azy
Mpanoratra sady poeta tena sarotiny amin'ny Soatoavina Malagasy i Randja Zanamihoatra. Efa tamin'ny taona 50 tany ho any ny tenany izany dia efa nahatsikaritra fa nanimba Malagasy maro ny tsy fahaizana miaina amin'ny rivo-pivoarana.
Efa an-taonany maro izao, tafiditra ao anatin'ny fandaharam-piaranana eny amin'ny Ambaratonga faharoa ny mikasika ny mpanoratra Randja Zanamihoatra. Ny "Malagasy Mankany" moa dia tononkalo mifono anatra, miainga amin'ny zava-misy amin'ny fiaraha-monina : ny fanarahana ny fitafiana "tsy maontina" avy any ivelany, ny tsy fanajana ray aman-dreny, ny filalaovana fitiavana aloha loatra, sns. Tsiahivina fa manomboka ny faha-27 may ho avy izao ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny mpanoratra Randja Zanamihoatra.
Malagasy Mankany
"Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny !
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny !
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha :
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe : "mandehana, sombinaiko" !
Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely---toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady !
Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento : mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha ! ...
Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody :
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony !
Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana :
Ankizilahy sy ankizivavy, amin’ny tena fisandratrana,
Miova tsy mpivady mihitsy amin’izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombatombany.
Nantenain’Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo ..., ‘ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika !
Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao
Saingy masina ny sata izay voahitsakitsakao"