• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Apollo Hospitals
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahatsentsenan’ny lalandrà ao amin’ny loha na AIT : ireo tsara fantatra

15/04/2025 12:54 © Moov.Mg

Ny AIT na « Accident ischémique transitoire » dia manambara ny fahatsentsenan’ny lalandrà ao amin’ny loha ao anatin’ny fotoana fohy. Izany dia mitarika fahaverezan’ny fahafahana mampiasa rantsam-batana iray na « paralysies faciales ». Matetika dia miseho mialohan’ny fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny loha na AVC izy io. Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ny AIT.

Inona no atao hoe « Accident ischémique transitoire » na AIT ?

Ny « Accident ischémique transitoire », na AIT, dia olana ara-pahasalamana eo anivon’ny « système sanguin » ny atidoha. Ny atidoha dia mila ny « oxygène » izay vatsian’ny rà tsy ankiato ao aminy. Rehefa mihena tampoka na foana io « oxygène » io dia izay no atao hoe « ischémie ». Marihana fa mety hahavoa ny taova rehetra ny « ischémie », miankina amin’ny antony mety mahatonga azy.
Arak’izany dia fihenana vetivety ny tahan’ny rà mankany amin’ny atidoha ny « Accident ischémique transitoire ». Zava-dehibe ny fahafohezan’ny fotoana faharetan’izy io ka tsy tokony hampisy takaitra raha tsy mihoatra ny adiny 1 ora. Raha maharitra ela loatra kosa nefa ny AIT dia mety hihasimba malaky ireo faritra tsy mahazo rà tsara ao amin’ny atidoha. Izany dia mety hitarika fahatapahan’ny lalandrà na fijanonan’ny fo tampoka.

Ireo antony mety mahatonga ny fahatsentsenan’ny lalandrà ao amin’ny loha

Maro ireo antony mety mitarika ny fahatsentsenan’ny lalandrà ao amin’ny loha. Anisan’izany ny :
-« Embolie » izay vaingan-drà na « fragment de plaque d’athérome » izay miforona any amin’ny faritra iray ao amin’ny vatana, matetika ao amin’ny fo na ny lalandrà vaventy. Mifindra mankany amin’ny lalandrà ao amin’ny atidoha izy io ka manentsina vetivety ny tosiky ny rà.
-« Thrombose » izay fahaterena na fahatsentsenana miforona mivantana eo amin’ny lalandrà an’ny atidoha vokatry ny fiangonanaa « plaques d’athérome ».
-« Spasme vasculaire » izay fahaterena vetivety ny lalandrà ao amin’ny loha ka mety mampihena ny tosiky ny rà entiny.

Ireo fambaran’ny fahatsentsenan’ny lalandrà ao amin’ny loha

Mitovy amin’ny fambaran’ny AVC ihany ny fisehon’ny AIT fa izy ireo fotsiny no tsy maharitra ela loatra, mety ho mandritra ny minitra vitsy na ora vitsy. Anisan’ireo fambara fahita ny :
-Tsy fahitana tampoka eo amin’ny maso ilany ;
-« Paralysie faciale » amin’ny tarehy ilany ;
-Tsy afaka miresaka na miteny mandritra ny fotoana fohy ;
-Malemilemy toy ny torovana sy tsy mahazaka tena ny rantsam-batana ilany, toy ny sandry sy ny ranjo.

Ireo anton-javatra mety mahatonga ny AIT

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny AIT. Anisan’ireo mila tandremana sy arahi-maso tsara ny :
-Tahan’ny « cholestérol » avo loatra ao anaty rà ;
-Diabeta ;
-Tosidrà avo ;
-Hatavezana be loatra ;
-Toaka, sigara ;
-« Arythmie » izay tsy fahatomombanan’ny hafainganan’ny fidoboky ny fo.

Inona no atao raha nanao AIT ?

Tsy azo atao tsirambina ny AIT na ny « Accident ischémique transitoire ». Matetika tokoa mantsy dia miseho alohan’ny AVC izy io. Noho izany raha mahatsiaro mahazo aina na hoe nisinda ireo soritr’aretina voalaza teo ambony afaka minitra vitsy dia tsy maintsy mandeha manantona mpitsabo hatrany hanaovana fizahana ny loha. Mety mbola tsy afaka ny antony nahatonga ilay « ischémie » ary mety miverina sy hitarika fahasarotana izany raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires