• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Shutterstock
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Appendicite » eo amin’ny ankizy : ireo tsara fantatra

10/04/2025 17:28 © Moov.Mg

Ny « appendicite » no isan’ireo aretina mahatonga fanaintainana amin’ny ila-kibo havanana eo amin’ny ankizy. Aretin’ny « appendice » izay ampahany amin’ny tsinay moa izy io. Samy mety ho tratr’ity aretina ity avokoa na ny lehibe na ny ankizy, eny na ny zazakely. ‘Ndeha ho resahana eto ny ireo tsara fantatra mikasika ny « appendicite » eo amin’ny ankizy.

Inona no atao hoe « appendicite » ?

Ny « appendice » dia ampahana tsinay kely ao amin’ny faritra ambanin’ny kibo havanana. Rehefa be loatra ny loto miangona eo aminy dia lasa tsentsina izy io ary hitangoronan’ny bakteria. Izany dia mahatonga « inflammation » atao hoe « appendicite ». Araka ny voalaza teo ambony dia mety ho voan’izany avokoa na ny lehibe na ny ankizy. Ny ankizy sy ny zatovo kosa nefa no tena maro voakasik’izany. Mila fantarina haingana ny soritr’aretin’ny « appendicite » eo amin’ny ankizy satria raha tara ny fandraisan-tanana azy io dia hiteraka fahasarotana lalina.

Ireo antony mety mahatonga ny « appendicite » eo amin’ny ankizy

Amin’ny ankapobeny dia noho ny fahatsentsenan’ny « appendice » no mahatonga ny « appendicite ». Io fahatsentsenana io dia mety ho avy amin’ny :
-Loto (tay) mafy ;
-Fibontsonan’ny atoditarimo ao anatin’ny tsinay, matetika vokatry ny otrikaretina avy amin’ny viriosy ;
-Katsentsitra na koa « tumeurs » izay antony mahalana be.

Ny fomba fisehon’ny « appendicite » eo amin’ny ankizy

Mety ho samihafa ny fisehon’ny « appendicite » eo amin’ny tsirairay ary indraindray mety ho sarotra ny mamaritra izany, indrindra eo amin’ny ankizy kely. Anisan’ireo fambara mateti-pitranga ny :
-Fanaintainana eo amin’ny kibo. Isan’ireo fambara voalohan’ny « appendicite » moa izy ity. Matetika dia eo amin’ny manodidina ny foitra no manomboka marary avy eo mivadika eo amin’ny faritra ilany ambanin’ny kibo havanana. Mihamafy tsikelikely ilay fanaintainana ary mety lasa manindrona mafy sy maharitra.
-Maloiloy sy mandoa. Mahazana miaraka amin’ilay fanaintainana eo amin’ny kibo izany.
-Manavinavy ;
-Malain-komana ;
-Kizitina sy reraka be tsy mahazatra.

Ahoana no atao raha ahiana ho voan’ny « appendicite » ny zanaka ?

Raha ahitana iray na maro amin’ireo soritr’aretina voalaza ireo ny zanaka dia mila manantona mpitsabo avy hatrany na manantona tobim-pahasalamana. Fadiana ny manome fanafody mampivalana na mampitony fanaintainana azy alohan’ny handehanana any amin’ny mpitsabo. Mety hampisinda ireo soritr’aretina mantsy izany ka hamitaka ny fizahana ara-pahasalamana hamaritana ny « appendicite ».
Raha voamarina fa tratry ny « appendicite » ny ankizy dia ny mpitsabo no mamaritra ny fitsaboana sy fandraisan-tanana sahaza izany. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fandidiana hatrany ny fitsaboana ity aretina ity, na eo amin’ny ankizy na ny olon-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires