Ny fomba tsotra fanamboarana « Pain aux raisins »
Anisan’ireo « viennoiserie » ankafizin’ny maro ny « pain aux raisins ». Matsiro tokoa ny mihinanana azy ireny rehefa izy vao mafana sy manitra dibera tsara iny. Azo atao ny manamboatra « pains aux raisins » ao an-trano. Araho eto àry ny fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « pains aux raisins »
Ireo hanaovana ny paty
-Lafarinina 500g ;
-Sira 10g ;
-Levure boulanger 25g ;
-Siramamy 60g ;
-Dibera malemy 25g ;
-Vovon-dronono 15g ;
-Atody 1 ;
-Rano 225g.
Ireo hanaovana ny « crème pâtissière »
-Ronono velona na lait entier 250ml ;
-Siramamy 50g ;
-Tamenak’atody 2 ;
-Lafarina 25g.
Ho an’ny fangarony
-Raisins secs 150g ;
-Dibera hanaovana ny « tourage ».
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Fanaovana ny paty
-Arotsaka anatin’ny bol ny « robot pâtissier » ny levure, lafarina, sira, siramamy, vovon-dronono, atody ary rano. Kapohana miaraka amin’ny hafainganam-pandeha miadana na « lente » mandritra ny 5 minitra. Avy eo kapohana amin’ny « vitesse moyenne » mandritra ny 10 minitra mandra pahazoana paty malama sy « élastique ».
-Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny dibera malemy ary tohizana kapohana mba hifangaro tsara. Rehefa vita dia rakofana lamba ny paty ary apetraka amin’ny toerana mafana mandritra ny adiny 1 mba hibontsina tsara.
Fanaovana ny « cème pâtissière »
-Hafanaina ny ronono.
-Arotsaka ao anaty saladier ny tamenak’atody sy ny siramampy. Kapohana miaraka amin’ny fouet na batteuse mandrapahazoana fangaro fotsy. Alefa ao ny lafarina.
-Arotsaka ao anatin’ilay fangaro tao anaty saladier ny ronono mafana ary aroharohana tsara. Alefa anaty vilany ireto farany ary ataingina ambony afo malefaka. Aroharoana tsy mitsahatra mandrapaharitra azy. Avela mangatsiaka ny « crème pâtissière ».
Fanaovana ny « façonnage »
-Velarina eo ambony latabatra ny paty ary atao mahazo endrika mahitsizoro. Ahosotra eo amboniny ny dibera hoan’ny « tourage ».Ahosotra eo manarak’izay ny « crème pâtissière ». Aparitaka eo amboniny ny « raisins secs ».
-Rehefa vita izay dia ahorina manaraka ny sakany ny paty. Tetehana manaraka io sakany io amin’ny hatevenana 3sm eo ho eo.
-Alahatra eo ambonin’ny « plaque de cuisson » efa nasiana « papier sulfurisé ». Avela hibontsina mandritra ny 30 minitra.
Fandrahoana azy
-Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
-Andrahoina mandritra ny 20-25 minitra ao anaty lafaoro ny « pains aux raisins ». Rehefa mahazo loko « dorées » dia vita.