• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana cake malefaka sy moravidy

06/03/2025 16:32 © Moov.Mg

Goûter isan’ny ankafizin’ny ankizy sy maha botrabotra azy ireny ny mofomamy. Efa maro ireo « recettes » fanaovana mofomamy efa nozaraina teto. Ho an’ireo maniry hanamboatra cake malefaka sy tsy be masonkarena dia atoro eto ny fomba tsotra fikarakarana izany.

Ireo akora ilaina raha hanao cake malefaka

-Atody 2 ;
-Lafarina 2 kaopy ;
-Yaourt nature 1 ;
-Siramamy 1 kaopy ;
-Menaka na dibera ½ ny kaopy ;
-Levure chimique 1 fonosana ;
-Sira 1 tsongo ;
-Voasary makirana 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

-Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
-Afangaro anaty lovia jobo ny atody sy ny siramamy. Aroharoana amin’ny fouet mandra pahazoana fangaro vovony maivana sy malefaka.
-Sasana tsara ary hamainina ny voasary makirana. Kikisana ny hodiny hahazoana « zeste de citron ».
-Afangaro anaty lovia jobo hafa ny yaourt, menaka ary ny « zeste de citron ». Ity farany no manome hanitra ny cake.
-Arotsaka ao anaty lovia jobo lehibe ny fangaro nokarakaraina rehetra teo, dia ilay tao anaty lovia jobo voalohany sy faharoa. Afangaro tsara.
-Arotsaka ao anatin’io fangaro io lafarina sy ny levure ary ny sira. Afangaro tsara amin’ny fouet mandra pahazoana paty malefaka sy tsy misy mitambaingambaingana.
-Arotsaka ao anaty lasitra fanaovana cake ny fangaro.
-Atsofoka ao anaty lafaoro mandritra ny 30 hatramin’ny 40 minitra. Rehefa mibontsina tsara ny cake ka vita io fotoana nandrahoana azy io dia tsindromina kely amin’ny lohan’antsy. Raha tsy misy paty manaraka intsony dia masaka izy izay.
-Avela hangatsiaka mandritra ny 10-15 minitra alohan'ny hanesorana azy ao amin'ny lasitra.
Raha tiana dia azo asiana raisins secs na voankazo toy ny frezy, akondro na mananasy ao anatin’ny paty izay vao handrahoina anaty lafaoro.

Lire la suite

Articles Similaires