• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Habokana : aretina efa nisy hatry ny ela nefa mbola vitsy mahafantatra

29/01/2025 10:17 © Moov.Mg

Marihana isaky ny faha 29 ny volana janoary ny andro maneran-tany ho an’ireo mararin’ny habokana. Anisan’ireo sokajiana ho aretina taloha be izy io ary efa maro ireo firenena tsy ahitana azy intsony. Mbola tsy foana nefa ny habokana eo amin’ny firenena vitsivitsy toa an’i Inde, Brésil, Madagasikara… Fa inona tokoa moa ny habokana ? Araho reo tsara fantatra mikasika azy ity.

Inona no atao hoe aretina habokana ?

Ny habokana na « lèpre » dia aretina mitaiza vokatry ny bakteria atao hoe « Mycobacterium leprae ». Ny hoditra sy ny « nerfs » no tena voakasik’izy ity. Na dia aretina efa taloha be aza ny habokana dia azo tsaboana amin’ny alalan’ny fitsaboana maoderina izy ankehitriny.
Ny fifampikasohana maharitra sy matetika amin’ny olona mitondra ity aretina ity tsy voatsabo no mampifindra azy. Ny taovam-pisefoana matetika no voalaza fa mamindra ilay bakteria. Marihana fa tsy mora mifindra be habokana.

Inona avy ireo soritr’aretin’ny habokana ?

Maharitra fotoana ela ny fitomboan’ny bakterian’ny habokana. Amin’ny ankapobeny dia maharitra 5 taona eo ho eo ny fihombon’ny aretina ary indraindray mety afaka 20 taona vao miseho ireo soritr’aretina. Miankina amin’ny toe-batan’ny tsirairay moa izany. Anisan’ireo soritr’aretin’ny habokana ny :
-Fisian’ny tasy mena na fotsy eo amin’ny hoditra. Matetika dia tsy maheno eo amin’io faritra io rehefa kitiana ;
-Volivoly, manakotsako ny tanana sy ny tongotra ;
-Mihamalemy ny hozatra ka lasa sahirana manetsika ny rantsan-tanana na rantsan-tongotra sasany ;
-Marary sy lasa matevina ny « nerfs ».
Raha tsy voatsabo ara-potoana sy ara-dalàna ny habokana dia mihombo ireo soritr’aretina ireo ary lasa maharitra. Lasa mihitatra amin’ny faritra hafa toy ny rantsam-batana sy ny maso. Marihana moa fa misy karazany maro ny habokana ary samy manana ny fisehony manokana izy ireo rehefa tena mihombo ilay aretina.

Ahoana ny fitsaboana ny habokana ?

Azo tsaboina sy sitranina ny habokana. Ny fanantonana tobim-pahasalamana no fomba azo antoka indrindra handraisan-tanana ny marary. Amin’ny ankapobeny dia ny fihinanana « antibiotiques » mandritra ny volana maro no fitsaboana ity aretina ity. Misoroka ny mety ho fahasarotana ny fitsaboana ny habokana dieny izy vao mipoitra.

Inona no mahatonga ny habokana mbola foana eto amintsika ?

Na dia azo sitranina aza ny habokana dia mbola misedra olana hatrany ny fandringanana azy ity eto amintsika sy eo amin’ireo firenena mbola ahitana izany. Anisan’ireo antonty mahatonga izany ny :
-Fanilikiliana ireo marary ka mahatonga azy ireo hatahotra na tsy sahy manantona mpitsabo ara-potoana ;
-Fahantrana satria mbola sarotra sy voafetra ny fahazoana fitsaboana eo amin’ny faritra sasany ;
-Tsy fahafantarana ilay aretina. Mbola maro ireo olona tsy mahalala fa azo sitranina ny habokana ary tsy mamindra be araky ny fieritreretana azy.

Lire la suite

Articles Similaires