Fisorohana ny Alzheimer : Fomba fiaina sy sakafo mahatsara ny fitadidiana
Miha-tanora hatrany ireo manana olana amin'ny fitadidiana na voan'ny Alzheimer mihitsy aza. Azo sorohina tsara izany, mba hanana fitadidiana tsara hatrany na miha-fotsy aza ny volo.
Very tanteraka ny fahafahana sy ny fifaliana rehefa voasembatsembana ny fitadidiana. Voatery miankina amin'olona sady tsy afaka miaina malalaka intsony raha tratran'ny Alzheimer mihitsy.
Fomba fiaina
Mampikorontana ny fiasan'ny atidoha ny tsy rotoroto lava isan'andro. Tsy vitsy amintsika no tsy manampotoana intsony na amin'ny fikarakarana vatana aza noho ny fanenjehana ora sy fiandraiketana zavatra maro. Misy ireo tsy mahita akory ny akanjony tsy mihidy tsara sady tsy mahita ireo mifanena eny an-dalana satria maika lava. Rehefa ela ny ela, reraka na ny vatana na ny saina ka eo indrindra no manadino zavatra vitsy na maromaro.
Na maro aza ny andraikitra sahanina, ny fahaizana mandamina no entina miatrika izany rehetra izany. Tsara raha manana fandaharam-potoana manokana ny tsirairay hamaritana ny fotoana anaovana ny zavatra rehetra tokony atao. Manamboatra fafana (tableau) ka tanisaina avokoa ireo asa miandry (ao an-trano sy ny am-piasana) na dia aleha. Ny hariva dia efa atao vonona avokoa ny akanjo sy ireo fitaovana rehetra ilaina ny ampitso.
Manimba ny fitadidiana ihany koa ny fahakizintinana, ny fahasiahana sy ny fiferotana aina. Mikentrona avokoa ireo lalandrà ao anaty loha ka mety hahatsapa aretin'andoha mihitsy. Amporisihina ny rehetra mba hifalifaly hatrany, na inona na inona olana sedraina sy lalovana. Azo atao tsara ny miteny mora, satria tsy voatery mivazavaza vao tafita ny hafatra.
Fomba fisakafo
Anisan'ny manimba ny fitadidiana ny sakafo tsy ara-pahasalamana. Misy fiantraikany ratsy ireo sakafo misy akora simika, matsiro loatra, mamy loatra. Tsara araka izany raha manaja fomba fisakafoanana ara-pahasalamana, ka ny tena ihany no mikarakara izay tiana hanina rehetra.
Amporisihana ny fihinanana voankazo, legioma, vokatra avy amin'ny ronono sy haza an-dranomasina/ an-dranomamy. Mampitombo ny fitadidiana ohatra ny voankazo mena sy mavo, ny legioma maitso sy mena, ny voamaina, ny trondro. Mahasoa ihany koa ny sokolà, ny tantely, ny kafe ary ny atody. Mila mahalala ny antonony nefa ny mpihinana, mba tsy handreraka ireo taova ao anaty sy hitarika aretina hafa. Tsy maintsy ahena na ajanona tanteraka ihany koa ny fandraisana zava-mahadomelina, indrindra ny toaka sy ny sigara. Miantraika any amin'ny atidoha mantsy ny singa mahadomelina ka mety hamafa ny fahatsiarovana maro na hanimba tsikelikely ny fitadidiana rehefa ela ny ela.
Raha miverimberina ny fanadinoana, tsara raha manantona mpitsabo avy hatrany. Tsy mbola misy ny fitsaboana manasitrana ny Alzheimer, nefa mora kokoa ny manampy ny marary raha vao miandoha ny soritr'aretina.