Andro mafana : Ireo sakafo tsara hanina sy tokony fadiana
Maha-kely aina ny hafanana be, indrindra moa rehefa voatery mandeha tongotra na mijanona ela amin'ny toerana mamay. Etsy an-daniny koa nefa dia maloto ny rivotra, indrindra eto an-drenivohitra. Maro ireo torana sy mandraiky marary, indrindra ireo olona marefo.
Misy tokoa ireo sakafo tokony ampitomboina ny fihinanana azy, mba ho salama sy hatanjaka tsarafoana na migaingaina aza ny andro. Maro ihany koa nefa ireo sakafo tokony ferana ny fihinanana azy, na tsy hanina mihitsy, mba hisorohana ny aretina.
Tena ilaina ny voankazo sy legioma manankarena rano
Tsy azo adino ny fihinanana voankazo sy legioma isan'andro. Rehefa mafana iny ny andro dia tsy ampy ny rano fisotro 1,5 na 2 litatra isan'andro. Mila rano betsaka kokoa ny vatana, ka tsy maintsy ny sakafo no mameno ny filàna.
Mila manova "menu" kely amin'izao andro mafana izao. Ireto àry misy vokatra tsara vidiana sy ampiasaina hikarakarana sakafo :
-Legioma : concombre, courgette, poivron, salade, karoty, sns
-Voankazo : voatabia, pastèque, melon, letchis, fraise, voasary, mananasy, sns
-Hena : Akoho amam-borona na trondro fa tsy hena mena
Hanina amin'ny hafanana antonony tsara ny sakafo, raha masaka izany : tsy atao mangatsiaka na mamay loatra. Tsy dia tsara ny mihinana gilasy na mafana aza ny andro, satria mandritra ny rano amin'ny vatana ny siramamy be ao anatiny.
Mila fitandremana ny sakafo mora simba sy saro-devonina
Misy fiantraikany amin'ny fitehirizana sakafo ny hafanana be loatra. Mila fitandremana araka izany ireo sakafo anaty boaty, na ireo avy any ivelany na ireo avy eto an-toerana. Mba hisorohana ny "intoxication alimentaire" dia aleo sakafo vaovaosy namboarina tao an-trano ihany no hanina. Fadiana ny mividy "composé", "sandwich" sy ireo sakafo masaka misy "mayonnaise" etsy sy eroa. Jerena tsara ihany hoa ny vokatra azo avy amin'ny ronono vao hanina. Tsara ihany koa raha amboarina ao an-trano ihany ny "mayonnaise" sy "yaourt" isaky ny te hihinana.
Marihana ihany koa fa tsy dia tsara ny mihinana sakafo matavy, toy ny hena kisoa matavy, rehefa mafana ny andro. Mila ferana ihany koa ny fihinanana voankazo "laxatif", izany hoe mety hampivalana, toy ny manga sy ny paoma. Raha ambanimbany ny "tosi-drà" dia aleo tsy misotro ranomboankazo azo avy amin'ny garana na voasary makirana. Tsy adino ny manena ny fatran'ireto vokatra ireto : siramamy, hanitra masiaka (toy ny dipoavatra), charcuteries.