Fahasalamana : Ireo fahazaran-dratsy mety hampitarazoka ny sery
Miparitaka indray izao ny sery. Amin’ny ankapobeny moa dia avy amin’ny viriosy izy io ary ny hery fiarovana no miady amin’izany. Tokony ho sitrana ho azy afaka andro vitsy ny sery. Misy fotoana nefa noho ireo fahazarana sy toe-javatra tsy tandrintsika dia lasa maharitra ela kokoa ary mety hiombo mihintsy ny sery. Fa inona tokoa ary ireo fahazarana sy toe-javatra mety mampitarazoka ny sery ?
Ny fifohana sigara
Isan’ireo antony lehibe mampaharitra sy mety hampihombo ny sery ny fifohana sigara mandritra ny fotoana mahavoa ny sery. Ny sigara tokoa mantsy dia mampidina ny hery fiarovana ka vao maika sahirana ny vatana miady amin’ilay viriosy. Noho izany dia tsara raha mijanona tsy mifoka sigara aloha rehefa voan’ny sery. Mampahazo aina ny avokavoka sy mandrisika ny fiasan’ny hery fiarovana ny fanaovana izany.
Ny rarintsaina
Maro ireo voka-pikarohana nampiseho fa ny rarintsaina dia isan’ireo antony mampitarazoka ny sery. Mampihena ny hery fiarovana tokoa mantsy ny tebiteby sy ny adin-tsaina mahatonga rarintsaina ka vao maika izany mampaharitra sy mampihombo ny sery. Ilaina arak’izany ny miezaka manary dia sy mieritreritra zavatra mahafinaritra rehefa voan’ny sery mba ho mora sitrana.
Ny tsy fahampiana fakana aina
Satria miasa be ny hery fiarovana rehefa miady amin’ny otrikaretina mahatonga ny sery dia mety mahatsapa vizaka ny vatana. Mety manampy trotraka izany havizanana izany ary vao maika mampalemy ny hery fiarovana ny tsy fahampiana fakana aina rehefa voan’ny sery. Noho izany dia fadiana ny miari-tory, ny manao fanatanjahantena be loatra mandritra io fotoana io.
Ny tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana
Rehefa voan’ny sery dia manampy betsaka amin’ny fanafainganana ny fahasitranana ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Marihana fa ny ankamaroan’ny otrikaina manamafy sy mampitombo ny hery fiarovana hiadiana amin’ny sery dia avy amin’ny sakafo hoanina. Raha azo atao dia sakafo be otrikaina sy mineraly no tena atao betsaka, toy ny voankazo sy legioma, ronono sy vokatra azo avy amin’ny ronono, trondro, hena fotsy, …
Ny tsy fahampiana rano
Mety hampitarazoka ny sery ihany koa ny tsy fahampiana rano. Ny rano dia mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiasan’ny hery fiarovana. Ny viriosy mahatonga ny sery moa etsy andaniny dia mandrisika ny famokarana « mucus » be loatra. Izany moa dia mampiasa rano be loatra avy ao amin’ny vatana. Mba hisorohana ny sery tsy hitarazoka àry dia mila misotro rano 2l isan’andro farafahakeliny.