Harerahana sy adin-tsaina tafahoatra : Tandremo ny "fatigue générale" !
Miha-sarotra ny fiainana, na tahaka ny ahoana na ahoana ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Samy manana ny olany rahateo ny tsirairay ka lasa fahazarana ny miasa saina, nefa tsy maintsy miatrika ny asa sy ny adidy isankarazany. Rehefa tafahoatra nefa ny adin-tsaina sy ny havizanana dia misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana izany, ary mety haningotra ny ain-dehibe mihitsy. Ireto àry misy toro tsara ho fantatra mikasika ny "fatigue générale".
Ny "fatigue générale" dia faharerahan'ny vatana tanteraka, izay mitarika ny fihenan'ny hery voajanahary. Lasa mora andairan'aretina ilay olona. Ireto àry ny famantarana ivelany tena mahazatra : aretin'andoha mila tsy ho zaka, fidinan'ny tosidra tampoka, aretim-pivalanana, fahalemen'ny vatana, fahatoranana, sns. Tsara ny manamarika fa mety ho tratran'ny "fatigue générale" ny olona iray na tsy miasa vatana aza nefa mitaintaina na miasa saina be loatra.
Inona no azo atao raha tratran'ny "fatigue générale" ?
Raha misy tranga mampiahiahy, toy ny fahatoranana, tsara raha manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Ny dokotera avy eo no mamaritra izay fitsaboana azo atao. Matetika dia mila mijanona andro maromaro any amin'ny hopitaly ny marary sady mila "repos" lavalava avy eo. Mila fotoana maharitra ny fitsaboana, mba hahazoana aina tsara amin'ny alalan'ny fanafody sy ny sakafo mampatanjaka. Mila fitandremana ihany koa aorian'ny fitsaboana satria mety hiverina indray ny trangan'aretina raha manao reraka be na miasa saina tafahoatra indray.
Mampihitatra ny fotoam-pitsaboana ny fitrangan'ny aretina isan-karazany, noho ny vatana marefo. Ho an'ny vehivavy ohatra dia mety handeha rà, na tsy mbola tokony ho tonga aza ny fadim-bolana. Mety ho tonga ihany koa ny aretim-bavony,ny areti-nify sy ny fihintsanan'ny volo.
Ny sakafo manankarena "fer" no tena tsara hanina rehefa reraka be iny, toy ny voamaina, ny épinards, ny persily, ny foie gras, sns. Ilaina ihany koa ny sakafo be protéina toy ny trondro sy ny atody. Manampy amin'ny famerenana hery ihany koa ny sokolà sy ny voankazo maina.
Inona avy ireo fisorohana ny "fatigue générale" ?
Tsy mora ny mitsabo ny "fatigue générale". Noho izany indrindra, mila mandanjalanja ny zavatra atao sy saintsainina isan'andro ny tsirairay. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy mety hanampy :
-Mila ampy torimaso tsara, adiny 7 isan'alina raha fohy indrindra;
-Sakafo ara-pahasalamana no hanina, hahitana voankazo sy legioma karazany 5 avy isan'andro ;
-Tsy adino mihitsy ny misotro rano 1,5l isan'andro ;
-Mila maka aina kely isaky ny adiny 2 na 3, ary miala voly kely mihitsy rehefa faran'ny herinandro;
-Mila mihetsiketsika kely ny vatana, na dia 15 minitra isan'andro aza ;
-Mandamin-tsaina tsara, na eo aza ny olana isan-karazany (mihaino hira malefaka, manao méditation, sns) ;
-Ajanona ny fandraisana zava-mahadomelina.