Fomba tsotra fanaovana « cake zébré » na « zebra cake »
Mofomamy iray hafakely nefa dia tena matsiro indray no atoro antsika eto dia ny « cake zébré » izany. Arak’izany fiantso azy izany dia miavaka amin’ny endriny mitsipitsipika izy ity. Ankoatra izay dia lafatra tokoa ny tsirony, indrindra ho an’ireo tia tsiro sokôlà. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « cake zébré »
-Lafarina 300g ;
-Atody 4 ;
-Menaka 150ml ;
-Siramamy 200g ;
-Levure chimique 2 sotrokely ;
-Ronono 150ml ;
-Cacao vovony mangidy 25g ;
-Sira 1 tsongo.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro
Arotsaka anaty saladier ny menaka, siramamy, sira, atody ary ronono. Afangaro tsara amin’ny fouet. Tsy mampiasa batteuse satria tsy kapohana ity fangaro ity fa aroharoana hifangaro fotsiny ihany. Rehefa vita dia zaraina anaty bols 2.
Arotsaka anatin’ny bol voalohany misy ny antsasaky ny fangaro ny lafarina 175g sy ny levure 1 sotrokely ary afangaro tsara.
Arotsaka ao anatin’ny bol faharoa kosa ny lafarina 125g, ny levure 1 sotrokely ary ny cacao vovony. Afangaro tsara.
Hosorana dibera ny menaka ny lasitra (moule) ho ampiasaina.
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Rehefa vonona dia alefa tsikelikely sy mifandimby 1 sotro avy ny fangaro anatin’ny bol 1 sy ny bol 2. Miaina avy eo afovoan’ny lasitra no andrarahana ny paty. Ampifandibiasina hatrany mandrapahalany ny paty.
Andrahoana anaty lafaoro mandritra ny 40 hatramin’ny 50 minitra eo ho eo. Tsindromina kely amin’ny lohan’antsy ahitana raha masaka na tsia. Rehefa tsy misy paty manaraka amin’ny lohan’antsy dia masaka.