• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « mammographie »

21/10/2024 16:10 © Moov.Mg

Mbola ato anatin’ny oktobra mavokely izay miompana amin’ny fiadiana amin’ny homamiadan’ny nono isika izao. Anisan’ny fanentanana tanterahana amin’izany ny fandrisihana ny vehivavy hanao ny fitiliana antsoina hoe « mammographie ». Maro ireo toeram-pitsaboana manatanteraka izany maimaim-poana mandritra ity volana ity. Fa ahoana tokoa ny fizotry ny « mammographie » ?

Inona no atao hoe « mammographie » ?

Ny « mammographie » dia fitiliana iray miompana amin’ny fakana sary ny nono amin’ny alalan’ny « rayons X ». Mazava ho azy fa fitaovana manokana sy avo lenta no ampiasaina amin’ny fanatanterehana izany. Ny « mammographie » dia natao mba ahitana mialoha ireo mety tsy fahatomombanana ao anatin’ny selan’ny nono, toy ny « tumeurs ». Izany hoe, afaka mahita izany tsy fahatomombanana izany ity fitiliana ity na dia mbola kely dia kely sy tsy mbola tsapan’ny tanana ilay « tumeur ».

Ahoana ny fizotry ny « mammographie » ?

Fitiliana iray azo lazaina ho tsotra ny « mammographie ». Amin’ny ankapobeny dia maharitra eo amin’ny 10 hatramin’ny 15 minitra eo ho eo izany. Toy izao ary ny fizotry ny fitiliana :

Fiomanana

Alohan’ny hanombohana ny fitiliana dia tsy mahazo manao « déodorant », ranomanitra na « crème » eo amin’ny tratra ilay olona ho atao fitiliana satria mety hanova na handiso ny sary hazon’ilay fitaovana fitiliana izany.

Fakana ny toerana

Rehefa hanomboka ny fitiliana dia mijoro manatrika ilay fitaovana fanaovana « mammographie » ilay olona. Misy teknisianina manokana mametraka moramora ny nono tsirairay eo amin’ny « plaque » amin’ilay fitaovana.

Famatrarana (compression)

Mba hahazoana sary tsara kalitao sy mazava tsara dia somary tsindrin’ilay fitaovana, toy ny hoe fisahana, ilay nono. Mety somary manelingelina na marary moa izany nefa dia dingana tsy maintsy lalovana mandritra ilay fitiliana izy io.

Fakana ny sary

Rehefa izay dia maka sary ireo nono amin’izay ilay fitaovana fanaovana « mammographie ». Sary amin’ny « angles » samihafa ny nono moa no alainy amin’izany mba ahafahana mitily tsara ny nono manontolo.

Ny maha zava-dehibe ny fanaovana « mammographie »

Fitiliana manokana ahafahana mahita mialoha ny homamiadan’ny nono ny « mammographie ». Zava-dehibe tokoa ny fanaovana azy io satria rehefa hita aloha ity homamiadana ity dia ambony kokoa ny « chances » hitsaboana sy hanasitranana azy. Ny mpitsabo kosa no mamaritra ny hatetiky ny fotoana tokony hanaovan’ny vehivavy tsirairay ity karazana fitiliana ity.
Rehefa vita ny « mammographie » dia ny « radiologue » no mandinika ireo sary sy manome ny valin’ny fitiliana. Raha toa ka misy tsy fahatomombanana hita amin’izany dia mety misy ireo fitiliana fanampiny ampanaoviny.

Lire la suite

Articles Similaires