• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Partnaire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiomehezana : Tena mahasalama !

21/10/2024 08:06 © Moov

Mila miomehy (mikakakaka fa tsy mitsiky) 15 minitra isan’andro ny olona iray, raha ny torohevitry ny mpitsabo.

Tsy midika tsy fahamatorana akory ny fiomehezana. Ilaina ny miomehy, ho an’ny sokajin-taona rehetra. Ireto ary ireo vokatsoan’izany fiomehezana izany amin’ny fahasalamana.

Mampihena ny rarintsaina

Miha-maro hatrany ireo olona tratran’ny AVC sy ny aretim-po. Noho ny rarintsaina (stress) nefa no tena mahatonga ireo aretina ireo, izay efa mahakasika tanora maro. Ny fiomehezana nefa dia azo iadivana tsara amin’ny vokadratsin’ny rarintsaina. Rehefa miomehy mafy iny mantsy dia mamokatra "endorphine" (hormone du bonheur) ny atidoha. Mihena ihany koa ny famokarana ny "cortisol" (hormone du stress). Ho tsapanao fa hisinda ny ahiahinao sy ny zavatra manavesatra ny fonao rehefa miomehy iny. Mazava ho azy, tsy mora tezitra na kizitina ny olona tia miomehy.

Mampitombo ny hery fiarovana sady miaro ny fo

Manentana ny famokaran’ny vatana hery fiarovana ny fiomehezana. Tsy dia mora marary ny olona miomehy satria lasa miasa tsara avokoa ireo singa miaro ny vatana amin'ny aretina isan-karazany.Tsy vitan'izany fa miha-mafy ihany koa ny taolana. Mampizotra tsara ny fiasan'ny fo ihany koa ny fiomehezana. Mora kokoa ny mandray ny "oxygène" ka misoroka ny aretin'ny fo izany.

Mampihena ny fanaintainana

Raha mahare marary noho ny aretina samihafa, tsy voatery hihinana « anti-douleurs » akory. Ny fiomehezana dia efa mampihena ny fanaintainana, ary azo antoka fa manafaingana ny fahasitranana. Ny fiomehezana mantsy dia manokatra ireo hozatra mikentrona.
Entanina àry izay mitsabo marary mba hampiomehy azy isan’andro. Rehefa falifaly tokoa mantsy dia mitsiry ho azy ao an-tsaina ny fanantenana, ka zary lafy tsara avokoa no andraisana ny zava-mitranga rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires