• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Authentik Vietnam
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « tsock » na « soupe au riz » ao an-trano

01/03/2024 10:58 © Moov.Mg

Nahandro iray azo karakaraina tsara ao an-trano ny « tsock ». Rehefa ririnina moa izy ity no tena ankafizin’ny be sy ny maro. Azo atao sakafo hariva tsara ihany koa noho izy tsy saro-devonina. Tsy ambakan’izany moa ny tsirony tena matsiro, indrindra rehefa be fangaro iny !

Ny akora ilaina raha hanao « tsock »

-Vary 1 kapoaka ;
-Nofon’akoho na nofon-kisoa na « mortadelle » 200g ;
-« Sauce soja » ;
-Tongolo mikarepoka ;
-Taolan’akoho sy taolan-kena avy natono mba hanome tsiro sy hanitra « fumé » ny nahandro ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy.

Fomba fikarakarana ny « tsock » na « soupe au riz »

Lomana anaty rano mangatsiaka nasiana menaka 1 sotro fihinanana sy « sauce soja » 1 sotrokely ny vary manta. Tsara kokoa raha atao milona mandritra ny alina tontolo.
Ampangotrahana anaty rano nasiana sira kely ny taolan’akoho sy taolan-kena efa avy natono. Rehefa mahazo loko fotsifotsy tsara dia esorina ireo taolana.
Arotsaka ao anatin’ilay ron-kena na « bouillon » ny vary avy notsihifina. Tapohana rano izay ilaina mandrampalemy azy tsara.
Mandritra izay fotoana izay dia andrahoina ny nofon’akoho na ny nofon-kisoa. Rehefa masaka dia tetehina madinika atao lavalava (en lamelle). Raha toa ka « mortadelle » no nosafidiana dia tetehana lavalava toy izay ihany koa.
Afanaina ambony afo mahery ny lapoaly nasiana menaka kely dia arotsaka ny nofon'akoho na ny nofon-kena na ny « mortadelle » voatetika. Asiana sira, dipoavatra ary sakamalaho sy tongolo gasy voakiky. Aroharoina foana. Rehefa maimaina tsara manomboka mikarepoka dia esorina.
Manarak’izay dia miditra amin’ny fanamboarana ny tongolo mikarepoka. Tetehina ny tongolo ary avela hipetraka kely ambony lamba sady somary fafana mba ho maimaina. Avy eo asiana lafarina, sira sy dipoavatra dia endasina.
Rehefa handroso ny nahandro dia apetraka eo ambonin'ny « tsock » ireo fangaro mikarepoka nokarakaraina ireo, izany hoe ny nofon’akoho na nofon-kisoa na « mortadelle » sy ny tongolo mikarepoka. Tsy asiana any anatiny satria manala ilay mikarepoka ilay vary malemy misy ranony. Tsy adinoina ny manisy kotomila voatetika amin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo