• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « salade de poulpe » na orita atao salady

28/02/2024 16:43 © Moov.Mg

Sakafo anisan’ny maro mpankafy rehefa mandeha miala sasatra any amin’ny morontsiraka any ny orita. Maro ny nahandro azo karakaraina amin’izy ireny. Ny fanaovana orita atao salady na « salade de poulpe » no ‘ndeha ho atoro antsika eto.

Ireo akora ilaina raha hanao orita atao salady na « salade de poulpe »

-Orita 1kg ;
-Tongolo gasy hasiny 2 lehibe ;
-« Persil » voatetika 2 sotro fihinanana ;
-Voasary makirana 1 ;
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Ny fomba fikarakarana ny orita atao salady

Diovina tsara amin’ny rano ny orita. Esorina ny taovany raha mbola tsy voadio teny amin’ny mpivarotra ity farany. Esorina ilay vavany kely eo afovoan’ireo tanany (tentacules) sy ireo masony. Atao anaty « cocotte-minute » ny orita ary tapohana rano mandifotra azy. Andrahoina mandritra 40 minitra fara fahakeliny. Rehefa vita dia tsihifina anaty « passoire » avy eo averina sasana indray. Aorian’izay dia tetehana araka ny habeny itiavana azy ny orita ary avela hangatsiaka.
Atao anaty « saladier » ny orita voatetika sy efa mangatsiaka tsara. Raraha menaka, tsara kokoa raha menaka oliva no ampiasaina. Avy eo arotsaka ao ny tongolo gasy voakiky, ny « persil » voatetika madinika, ny ranona voasary makirana ary ny sira sy dipoavatra. Aroharoana hifangaro tsara avy eo saromana « film alimentaire » ny « saladier ». Avela mipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora 1. Raha tia mbola hatsiro kokoa ny orita atao salady dia afaka ampiana voatabia sy « concombre » notetehana « en dé » ary tongolo be.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo