Fikarakarana vatana : ndeha resahana ny « épilation à la cire » !
Malaza eto amintsika ankehitriny ny « épilation à la cire ». Anisan’ireo fomba fanesorana ny volo manelingelina eo amin’ny vatana moa ity farany. Ndeha ary ho resahina ny atao hoe « épilation à la cire », ireo mampiavaka azy ary ny fomba fanatanterahana izany.
Inona no atao hoe épilation à la cire ?
Arakak’izany fiantsoana azy izany dia fanesorana ny volo eo amin’ny vatana mampiasa vokatra iray antsoina hoe « cire » no atao hoe épilation à la cire. Misy karazany roa samihafa ny cire, izany hoe ny cire chaude na mafana sy ny cire froide na mangatsiaka. Samy mandaitra anongotana ny volo isan-karazany amin’ny vatana izy roa ireo fa ny cire chaude kosa no fantatra fa tsy manaintaina kokoa ny fampiasana azy.
Ny cire mafana dia manokatra ny mason-koditra ka manena ny fanaintainana rehefa sintonina miala ny volo. Azo atao « épilation à la cire » avokoa ny volo rehetra amin’ny vatana toy ny eo ambany helika (aisselles), eo amin’ny elakelam-pe (maillot), tarehy (visage), ranjo (jambe)… Afaka manao ity fomba fanesorana volo ity na ny vehivavy na ny lehilahy.
Ireo lafiny mampiavaka ny épilation à la cire
Ny lafiny voalohany mampiavaka ny épilation à la cire amin’ireo fomba fanesorana volo hafa dia ilay izy manongotra ny volo hatramin’ny fakany. Izany hoe ela kokoa ny volo vao maniry ary mihamanify raha oharina amin’ny volo nesorina tamin’ny alalan’ny « rasage » sy ny « crème dépilatoire ». Ireto farany tokoa mantsy dia manapaka ny volo ihany fa tsy manongotra azy ireny. Hany ka vetivety ary mihamatevia ny volo rehefa maniry avy eo.
Ankoatra izay, tsikaritra fa somary mihafotsy ny hoditra eo amin’ny faritra natao « épilation à la cire » rehefa zatra manao azy ity. Tsy misy intsony ihany koa ny olana ateraky ny volo tsy mivoaka na « poil incarné » izay matetika mitranga rehefa avy manao rasage. Ny lafy ratsin’ny « épilation à la cire » kosa raha ampitahaina amin’ny ireo fomba hafa dia ilay fanaintainana rehefa eo am-panongotana ny volo. Marary nefa zaka tsara kosa nefa izany.
Ny fomba fanatanterahana ny épilation à la cire
Misy karazany maro ny cires ampiasaina amin’ny fanaovana épilation. Misy ireo vokatra efa vita izay nafarana tany ivelany ary misy ihany koa ireo vokatra namboarina teto an-toerana amin’ny alalan’ny akora natoraly. Samy mandaitra moa izy ireny ary samy manana ny lafy tsara sy ny lafy ratsiny ka anjaran’ny tsirairay no misafidy izay mety aminy. Ny fampiasana ny cire chaude no ndeha ho zaraina eto. Cire, spatule (fanosorana), bande (fanongotana) ary chauffe-cire (fanafanana ny cire) no ampiasaina.
Hafanaina amin’ny chauffe-cire na atao bain-marie ilay cire mba hitsonika sy hafana tsara. Ahosotra eo amin’ny faritra misy ny volo esorina ary apetaka eo ilay bande, manaraka ny fanirin’ny volo. Rehefa mipetaka tsara ny bande dia sintomina amin’ny sens mifanohitra amin’ny fanirin’ny volo. Somary tsindrina kely amin’ny tanana eo amin’ilay faritra nialan’ny volo mba hampihena ny fanaintainana. Atao tsikelikely ny fanesorana ny volo mba tsy harary be loatra sy ho afaka tsara. Tsara raha mampiasa « soins » ampitoniana ny hoditra rehefa vita ny épilation.
Azo atao irery ao an-trano ny épilation à la cire. Izany hoe mividy na manamboatra ny cire ary manaraka tsara ny fomba fampiasana azy. Misy ihany koa ireo matianina manao izany any amin’ny « salon de beauté » na koa ireo manantona any an-trano. Tsara kokoa raha manantona ireto farany raha sambany vao hanao épilation à la cire mba hisorohana ny fanaintainana be loatra na fahadisoana eo amin’ny fampiasana ny cire.