• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Fourchette Et Bikini
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fomba natoraly manafotsy helika

24/05/2023 07:06 © Moov.Mg

Lasa mivalo-mainty nohon’ny fiaratana, ny fampiasana déodorant na alamo ve ny helikao ka tianao ho fotsy indray ? Atoro anao eto ary ireo torohevitra mampafotsy helika natoraly ary tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana.

Manafotsy helika : mila manao gommage matetika anesorana ny hoditra maty

Ny fizarana manala ireo hoditra maty amin’ny alalan’ny gommage no fomba iray voalohany manafotsy helika. Atao indray mandeha isan-kerinandro izany farafahakeliny mba hisorohana ireo tasy ateraky ny hoditra maty sy ny volo tsy mivoaka. Maro ireo akora hita ao an-trano azo anatanterahana izany.
Siramamy : afangaro ny siramamy iray kaopy sy ny huile d’olive in-telon’ny sotro fihinanana. Ahosotra eo amin’ny hoditry ny helika ny fangaro azo. Somary kosehina sy horina mandritra ny telo minitra vao kobanina. Tsara raha atao in-droa isan-kerinandro.
Tantely tsy mitapoka : ilay tantely somary mivaingana mamasipasika no safidiana. Diovina madio tsara ny helika ary hamainina amin’ny lamba madio. Osorana ilay tantely ary somary kosehina moramora hampiala ireo hoditra maty sy hampisokatra ny maso-koditra ambany helika. Azo atao isaky ny roa andro mba hadio tsara ny hoditra. Raha ilay tantely mitsiranoka iny no misy dia afangaro amin’ny vovon-tsaribao hikosehina ny helika.

Mampiasa « masque » natoraly manafotsy helika

Mila fikarakarana manokana ny helika mivalo-mainty mba ahatonga azy hiverina ho fotsy indray. Ankoatra ny fanaovana gommage dia mila mampiasa « masque » natoraly manampy amin’ny fanafotsiana ny helika. Afaka misafidy amin’ireto karazana masques manaraka ireto ary mba hahafotsy ny hoditra eo ambany helika :
Karibonetra sy rano : diovina tsara ny helika mba hialan’ny déodorant na ny alamo nipetraka taminy. Afangaro ny karibonetra sy ny rano mba ahazoana fangaro somary mivaingana sy malefaka. Iny no apetaka eo amin’ny helika madio. Avela hilona 10 minitra vao kobanina rano matimaty. Azo asolo ranona voasary makirana ny rano anapohana ny karibonetra. Azo atao indray mandeha isan’andro izany mba ahazoana vokatra tsara.
Ovy manta : tetehina manify ny ovy manta voavaofy. Apetaka eo amin’ny faritra mainty amin’ny helika ary somary kosehina. Azo kikisana ihany koa ny ovy ary fihazina. Ilay ranony no ahosotra eo amin’ny helika ary avela hipetraka eo mba ho maina. Kobanina afaka 10 minitra. Atao isan’andro mandritra ny tapabolana.
Diloilo coco na menaka voanio : Ahosotra eo amin’ny helika ary avela hipetraka eo mandritra ny 15 minitra alohan’ny andehanana mandro. Avy eo sasana amin’ny savony malefaka sy tsy be fofona. Manakarena vitamine E ny menaka voanio ka manampy betsaka amin’ny fanafotsiana ny hoditra. Azo ampiasaina isan’andro ity masque natoraly manafotsy helika ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo