• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Chirurgie Buccale Et Maxillo-Faciale
Image
Fahasalamana&Sakafo

Areti-nify : mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana raha tsy voatsabo

17/05/2023 15:57 © Moov.Mg

Aretina iray tena mampijaly tokoa ny areti-nify. Ny andro mangatsiaka toy izao no tena mampihetsika ny fanaintainana. Amporisihina hatrany ny tsirairay mba hanantona mpitsabo nify raha vao manomboka misy marary kely ny nify. Mety mitarika aretina hafa tokoa mantsy ny nify simba tsy voatsabo. Ndeha ho resahina ny fisehon’ny areti-nify sy ny fahasarotana ara-pahasalamana mety aterak’izany raha tsy voatsabo ara-dalàna.

Ahoana ny fisehon’ny areti-nify ?

Miova tsikelikely manaraka ny fiombon’ny aretina ny fisehon’ny areti-nify. Mizara ho dingana efatra lehibe moa izany fiombon’ny areti-nify izany.
Mandritra ny dingana voalohany dia mangoaka ny « émail » ny acide vokarin’ireo bakteria anaty vava. Ny émail moa dia ilay faritra fotsy sy mafy ivelan’ny nify. Mbola tsy mahare marary ilay olona amin’io dingana voalohan’ny areti-nify io.
Amin’ny dingana faharoa ny areti-nify dia manomboka tonga amin’ilay antsoina hoe « dentine » ilay loaka. Amin’io fotoana io dia mahatsapa mangorintsina sy manindrona kely ny nify marary rehefa voakasiky ny sakafo na rano mangatsiaka na mafana loatra. Mandalo ihany izany fanaintainana izany, ary tsy voatery ho tsapa.
Rehefa tonga amin’ny dingana fahatelo ny areti-nify dia efa tonga amin’ilay antsoina hoe « pulpe dentaire » ilay laoka. Marary manaintaina tsy zaka ny nify, indrindra rehefa amin’ny alina. Maharitra elaela izany fanaintainana izany ary matetika mila mihinana fanafody fampitoniana vao mijanona.
Raha tonga amin’ny dingana faha efatra ny areti-nify dia efa azo sokajiana ho sarotra. Miparitaka amin’ny nify manontolo ilay aretina ary miha mafy kokoa ny fanaintainana. Misy ihany koa ireo soritr’aretina hafa mipoitra toy ny fivontosan’ny hihy sy ny takolaka, nana, aretina an-doha, fanaviana…

Ny fahasarotana ara-pahasalamana mety ateraky ny areti-nify tsy voatsabo

Mila mamonjy toera-pitsaboana avy hatrany vao miseho ny areti-nify na vao manomboka mahatsapa fanaintainana. Raha mbola amin’ny dingana faharoa sy fahatelo ny areti-nify dia mbola azo tsaboina tsara. Diovina ary asiana, asiana fanafody ary tampenanan’ny mpitsabo nify ny laoka. Rehefa tonga amin’ny dingana faha efatra moa mazana dia tsy maintsy esorina ny nify marary mba tsy hiomba sy tsy hamindra amin’ny nify salama eo akaiky.
Raha toa ka tsy tsaboina ny areti-nify dia mety mitarika aretina hafa. Marihina tokoa mantsy fa mitahiry bakteria sy mikraoba maro ireo nify laoka. Mitombo isa izy ireny ary mety miparitaka any anatin’ireo lalan-drà mankany amin’ny maso, avokavoka sy ny fo. Miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ireo bakteria sy mikraoba avy amin’ny areti-nify ireo rehefa mahatratra ny taova.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo