• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tazomoka : aretina mbola mahazo vahana eto Madagasikara

15/05/2023 10:34 © Moov.Mg

Ankalaizaina ny 15 Mey ny andro maneran-tany ho an’ny tazomoka na « paludisme » ho an’ity taona 2023 ity. Mbola loza mitatao eo amin’ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara moa ity aretina ity satria mbola maro ireo olona matin’izany. Fa inona tokoa no atao hoe tazomoka ? Inona avy ireo fitandremana atao mba hiadina sy hisorohana izany?

Inona no atao hoe tazomoka na « paludisme » ?

Aretina azo avy amin’ny kaikitry ny moka vavy antsoina hoe « anophèle » ny tazomoka na « paludisme ». Rehefa avy nanaikitra olona tratry ny tazomoka ny anophèle dia mitondra ilay otrik’aretina antsoina hoe « plasmodium » ka mamindra izany amin’ny olona salama kakeriny. Misy karazany maro ny plasmodium ka ny « plasmodium Falciparum » no mahery sy mampidi-doza indrindra amin’izy ireo. Amin’ny alina sy amin’ny andro maizina no manaikitra ny anophèle vavy ary tsy maneno. Marihina fa tsy mifindra amin’ny rivotra na amin’ny alalan’ny piti-drora ny tazomoka. Ny kaikitry ny anophèle ihany no mamindra azy amin’ny olona salama. Ny toerana mafana sy mando lava no tena ahitana ny tazomoka.

Ireo soritr’aretina ahafantarana ny tazomoka

Maro ireo soritr’aretina itovizanan’ny tazomoka sy ny gripa. Izany indrindra moa matetika no mahatonga ny olona maro mampifangaro ireo karazana aretina roa samihafa ireo. Raha voan’ny tazomoka ny olona iray dia mampiseho ireto fambara ireto :

Manavy ;

marary kibo sy mivalana ;

marary an-doha ;

tsemboka be sady mangatsiaka no mangovitra ;

maloiloy sy mandoa ;

manakotsako ny vatana ;

marary vavony.

Eo anelanelan’ny herinandro voalohany sy faha efatra tao aorian’ny kaikitry ny anophèle matetika no mipoitra ireo soritr’aretin’ny tazomoka ireo. Mety miandry herin-taona ihany koa nefa izany vao miseho, arakaraky ny fihombon’ny aretina ao amin’ny vatan’ny olona tsirairay.
Marihana fa ny fanaovana fitiliana ny rà ihany hatreto no fomba azo antoka indrindra ahafantarana olona voan’ny tazomoka. Mila manatanteraka izany fitiliana izany noho izany raha toa ka misy ireo soritr’aretina voalaza ireo mba tsy anafangaroana azy amin’ny gripa.
Raha toa ka tsy voatsabo aloha ny tazomoka dia mety mivadika ho tazo mahery sy fahasarotana ara-pahasalamana. Amin’izay fotoana izay ilay marary dia mampiseho soritr’aretina hafa toy ny hoe :

Tsy mahatsiaro tena ;

mifanintona ;

sempotra ;

insuffisance rénale.

Mety mitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny tazomoka rehefa tena mihombo sy tsy voatsabo ara-dalàna. Ny zaza sy ny ankizy, ny vehivavy bevohoka ary ny beantitra matetika no lasibatr’izany aretina izany raha toa ka tsy voaray an-tanana aloha.

Inona avy ireo fitandremana atao mba hiadina sy hisorohana ny tazomoka ?

Araky ny voalaza teo ambony dia ny kaikitry ny anophèle mitondra plasmodium irery ihany no mamindra ny tazomoka. Ny famongorana ny anophèle noho izany no fomba voalohany indrindra hiadiana sy hisorohana ny tazomoka. Ny rano miandrona no toerana mahafoy ny atodin’izy ireo. Mila miezaka izany ny rehetra mba hanala ny rano miandrona sy lobolobo rehetra manodidina ny trano noho izy ireny manintona moka. Tsy adinoina ihany koa ny mampiasa ody moka sy lay (moustiquaire) rehefa matory amin’ny alina, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny orana.
Efa misy ihany koa ankehitriny ireo fanafody afaka misoroka ny tazo. Mila mihinana azy ireny, na ny ankizy na ny lehibe, rehefa handeha ho any amin’ny tany mafana sy mando lava, toy ny any amin’ny morontsiraka atsinana. Marihana kosa nefa fa tsy voatery mandaitra zato isan-jato ireny fanafody ireny. Mety mbola ho tratry ny tazo ny olona nihinana izany rehefa avy voakaikitry ny anophèle. Noho izany, mila manantona toera-pitsaboana avy hatrany raha misy soritr’aretina manambara tazo mandritra ny dia any amin’ny faritra na volana vitsy ao aorian’ny fandehanana.
Ho an’ireo mivahiny any amin’ny faritany na any amin’ny toerana ahiana be moka dia ny fampiasana ny ody moka sy ny lay no fiarovana mahomby indrindra amin’ny tazomoka. Raha mila mivoaka ny trano amin’ny andro maizina na amin’ny alina dia manao akanjo mandrakotra tsara ny vatana rehetra mba ho fiarovana amin’ny kaikitry ny moka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo