• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Fédération Française Des Diabétiques
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanadiovana ny tanana : manampy amin’ny fiadiana amin’ny valan’aretina eo amin'ny sehatry ny fitsaboana

05/05/2023 15:47 © Moov.Mg

Marihina isaky ny faha 5 Mey isan-taona ny andro maneran-tany mikasika ny fanadiovana ny tanana. Ny fampiharana izany eny amin’ny sehatry ny fitsaboana moa no tena avoitra amin’ity fankalazana ity. Fa inona tokoa no ilaina ny fanadiovana tanana ara-dalàna eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ? Inona kosa ny tombontsoa entin’ny fanasana tanana matetika eo amin’ny fiarahamonina ?

Mpitsabo manaja ny fepetra fanadiovana tanana : misoroka ny fiparitahan’ny aretina entin’ny fitsaboana

Ny fanadiovana ny tanana no fepetra manan-danja ary mandaitra indrindra ho fisorohana ireo aretina azo avy amin’ny fitsaboana. Maro tokoa ireo micraoba sy viriosy matanjaka mifindra amin’ny alalan’ny tanana. Ka raha tsy manaja ireo fepetra fanadiovana tanana ny mpitsabo na ireo mpiasan’ny fahasalamana dia mety hifindra aminy ny aretin’ny olona tsaboina. Mety hitondra izany amin’ny toerana hafa alehany ihany koa izy ka lasa manamparitaka ilay aretina amin’ny toeram-pitsaboana, any an-tranony sy ny toerana rehetra alehany.
Fahazarana tsy tokony miala amin’ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana noho izany ny fanadiovana tanana matetika sy amin’ny fomba ara-dalàna. Izany hoe manasa tanana aloha sy ao aorian’ny mandray marary. Sasana amin’ny rano sy savony na amin’ny gel hydroalcoolique ny tanana mba hamonoana ireo mikraoba, viriosy na bactéries mety mipetraka aminy. Fomba iray manampy amin’ny fitandrovana ny fahadiovan’ny tananan’ny mpitsabo ihany koa ny fampiasana « gants ». Efa misy moa ny « gants » natokana ho an’ny sehatry ny fitsaboana. Soloina isaky ny miova marary raisin aizy ireny.

Ireo tombontsoa entin’ny fanadiovana tanana matetika eo amin’ny olon-tsotra

Tsy natokana ho an’ny mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany ny fanadiovana tanana matetika sy amin’ny fomba ara-dalàna. Ny tanana dia mikitika sy mikasoka zavatra maro eny rehetra eny. Tsy mahagaga noho izany raha mitondra sy manamparitaka mikraoba sy viriosy izy ireo rehefa tsy sasana tsara sy matetitika. Toe-javatra efa hitantsika moa izany nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID-19.
Tsy haitraitra ny fanadiovana tanana matetika sy ny fampiasana ireny gel hydroalcoolique ireny. Efa tsy dia misy miresaka be intsony ny COVID-19 ankehitriny ka manomboka manadino ny fahazarana manasa tanana ny ankamaroan’ny olona. Mila tadidiana anefa fa maro ireo aretina hafa entin’ny tanana ratsy fahadiovana. Tsy tokony adinoina noho izany ny manasa tanana rehefa alohan’ny sakafo, avy ao amin’ny WC, nandray vola, nandeha fiara-fitanteram-bahoaka… Eo amin’ny zaza sy ny ankizy dia mahabe kankana ihany koa ny tanana maloto.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo