• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mesrecettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanafody nify marary : ireo fomba natoraly afaka atao

02/03/2023 14:18 © Moov.Mg

Aretina tsy misy mpitsetra ny areti-nify. Mila tsy ho zaka ny fanaitainana indrindra rehefa simba na goaka ilay nify marary. Ny fanamboarana na ny fanalana ny nify marary eny aminy mpitsabo nify moa no fomba mahomby indrindra hitsaboana izany. Misy ihany anefa fanafody nify marary azo atao ampitsahatra ny fanaintainana mandra-pandeha eny amin’ny mpitsabo.

Huile essentielle de girofle, fanafody nify marary mahomby

Matetika rehefa mandeha any amin’ireny mpitsabo nify ireny isika dia maheno fofona fanafody mitovy amin’ny fofona jirofo (girofle). Anisan’ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana fanafody nify tokoa mantsy ny jirofo. Manampy betsaka amin’ny fampihenana fanaintainana sy ny fanadiovana nify izy ireny. Noho izany, azo atao fanafody nify marary ny huile essentielle de girofle. Borosina tsara ny nify. Atete eo ambony coton kely ny huile essentielle de girofle ary apetraka eo amin’ny nify goaka izany. Avela mijanona eo mandritra ny 4 minitra vao esorina. Azo atao in-telo isan’andro izany mba ho donton’ilay jirofo ilay nify marary ka hitsahatra ny fanaintainana.

Tongolo gasy, fanafody nify marary tsotra nefa mandaitra

Fanafody nify marary anisany tena mandaitra ny tongolo gasy. Manala fanaintainana sy manadonto ny nify marary ny tongolo gasy. Efa betsaka noho izany ireo olona tia manao ireny ady gasy ireny no mampiasa azy atao fanafody nify marary. Tsotra ny fampiasana azy. Totoina ny hasina tongolo gasy 1 na 2 ary somary volavolaina ho lasa boribory kely. Apetraka eo amin’ny nify goaka na marary ary avela hijanona eo mandritra ny 3 hatramin’ny 5 minitra. Esorina rehefa vita. Azo averina in-betsaka mandritra ny tontolo andro mba hampitony haingana ny fanaintainana.

Ravina voaroy hazo, mampitony ny areti-nify

Tsy voatery ny nify goaka na simba ihany no mitarika fanaitainana aminy nify. Indraindray mety hoe arerahana na tsy fahampiana kalsioma no mahatonga izany. Ho an’ireo izay sendra izany, fanafody nify marary mandaitra sy azo atao tsara ny fampiasana ravina voaroy hazo. Maka ravina voaroy hazo 7 ary ampangotrahina miaraka amin’ny rano 1 litatra. Avela mangotraka 2 minitra dia esorina ambony afo. Ahontsana amin’io rano voakarakara io ilay faritry ny nify manaitaina. Tsara raha atao mafana farak’izay zaka no ampiasana izany. Tsy ariana ny ambin’ilay ranona ravina voaroy hazo fa sotroina mandritra ny tontolo andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo