• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © A Vogel
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ny tsara fantatra mikasa ny « rhumatisme cardiaque »

22/04/2026 13:11 © Moov.Mg

Ny « rhumatisme cardiaque », antsoina ihany koa hoe « rhumatisme articulaire aigu » misy fiantraikany amin’ny fo, dia « maladie inflammatoire » mety mampidi-doza. Matetika izy io dia miseho aorian’ny areti-tenda (angine) tsy voatsabo. Mety mitarika fahasarotana lalina izy io raha tsy voatsabo ara-potoana. Araho eto ireo andinindininy tsara fantatra mikasika ny aretina « rhumatisme cardiaque ».

« Rhumatisme cardiaque » : aretina vokatry ny otrikaretina tsy voatsabo tsara

Matetika ny « rhumatisque cardiaque » dia miseho herinandro vitsy aorian’ny areti-tenda (angine), avy amin’ny bakteria « Streptococcus pyogenes », tsy voatsabo na tsy voatsabo tsara. Ny hery fiarovana, izay tokony hiady amin’ny bakteria, dia lasa mikorontana sy manafika tsy nahy ireo selan’ny vatana, toy ny sela ao amin’ny vanin-taolana, ny hoditra, ny atidoha ary indrindra ny fo.

Ahoana ny fisehon’ny aretina ?

Rehefa voan’ny aretin-tenda vokatry ny bakteria « Streptococcus pyogenes » ny olona iray, dia tokony ho tsaboina amin’ny antibiotika ao anatin’ny andro vitsivitsy. Raha tsy izany, dia mety hiseho ny « rhumatisme cardiaque » afaka 2 hatramin’ny 4 herinandro aty aoriana. Araka ny voalaza teo ambony dia tsy ilay bakteria intsony ny tena olana, fa ny fihetsiky ny hery fiarovana izay lasa manafika ny sela ao amin’ny vatana.
Mba hahazoana tsara ny fitrangan’ny aretina dia andeha haka ohatra mivaingana :
Zaza iray tratran’ny aretin-tenda matetika nefa tsy entina any amin’ny dokotera, fa tsaboina amin’ny fanafody tsotra fotsiny. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy izy dia manomboka mitaraina misy manaintaina ao amin’ny lohaliny sy kitrokeliny. Avy eo lasa sempotra rehefa mandeha. Izany dia mety ho famantarana ny « rhumatisme cardiaque » efa manomboka manimba ny fo.

Ireo soritr’aretina tokony hampitandrina

Ireto avy ny soritr’aretina tokony handrisika hanatona mpitsabo malaky :
-Tazo maharitra (mihoatra ny 2–3 andro),
-Fanaintainana miovaova toerana amin’ny vanin-taolana,
-Fahasemporana, indrindra rehefa mihetsika,
-Fitempon’ny fo haingana na tsy ara-dalàna,
-Havizanana tsy mahazatra,
-Fihetsika na « mouvements » tsy voafehy (indrindra amin’ny ankizy).
Marihana fa mety ho malefaka ny soritr’aretina amin’ny voalohany, ka matetika tsy dia raisina ho zava-dehibe. Ny fahataran’ny fitsaboana nefa dia mety hitarika fahasarotana sy hanasarotra ny fitsaboana.

Inona no mitranga amin’ny fo?

Rehefa mahavoa ny fo ny « rhumatisme cardiaque » dia izay no antsoina hoe “cardite rhumatismale”. Ny « valve » ao amin’ny fo no isany tena simba, ka tsy afaka misokatra sy mikatona tsara intsony.
Vokany:
-Miverina any aoriana ny ra (reflux),
-Miasa mafy kokoa ny fo,
-Mety hitarika fahalemen’ny fo rehefa mandeha ny fotoana.
Raha mitohy izany dia lasa « cardiopathie rhumatismale », izay aretina maharitra mety mitaky fandidiana amin’ny ho avy.

Fikarohana sy fitsaboana eny amin’ny hopitaly

Rehefa tonga any amin’ny tobim-pahasalamana ny marary dia mety hatao:
-Fitiliana rà hijerena ny fivontosana sy ny mariky ny aretina,
-Fihainoana ny fitempon’ny fo (auscultation),
-« Échographie cardiaque » hijerena ny « valve ».
Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny antibiotika hamongorana ny bakteria sy fanadody manala fanaintainana sy « inflammation » ny fitsaboana ny « rhumatisque cardiaque ». Amin’ny tranga maro moa dia ilaina ny fitsaboana maharitra amin’ny alalan’ny tsindrona antibiotika isam-bolana mandritra ny taona maro mba hisorohana ny fiverenan’ny aretina.

Fisorohana amin’ny fiainana andavanandro

Ireto misy fepetra tsotra nefa tena mahomby hisorohana ity aretina ity :
-Rehefa marary tenda ny ankizy na olon-dehibe dia entina any amin’ny tobim-pahasalamana na dokotera,
-Arahana tsara ny fatra sy ny faharetan’ny antibiotika (tsy ajanona raha vao mihatsara),
-Tsy manao dokotera tena,
-Ampianarina ny ankizy hilaza avy hatrany raha marary tenda na misy fanaintainana amin’ny vanin-taolana.

Lire la suite

Articles Similaires