• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Novojob
Image
Asa & Fianarana

Mitady asa : Mila mizatra asa na mamorona asa aloha!

04/03/2025 09:08 © Moov

Sarotra ny mitady asa. Marobe ireo velon-taraina fa tsy mety mahita asa mihitsy na manana mari-pahaizana teny amin'ny Ambaratonga Ambony aza. Tsy vitsy araka izany ireo lany taona maro amin'ny fitadiavana asa.

Miditra amin'ny fizaran'asa

Saika mibosesika mitady asa amina orinasa goavana avokoa ireo nahavita fianarana ambony. Ny ankabeazan'ireo tolotr'asa nefa dia natao ho an'ireo efa manana traik'efa.
Raha ny tokony ho izy, mandalo fizaran'asa (stage) hatrany ny mpianatry ny Oniversite vao mahazo mari-pahaizana Licence, Master na Doctorat. Izany dingana izany mantsy no fidirana sahady amin'ny sehatry ny asa, ka hanaporofoana sahady ny fahaiza-manao amin'ny mampiasa. Raha toa ka manana mari-pahaizana nefa tsy nandalo fizaran'asa, ity farany aloha no tadiavina fa tsy asa avy hatrany. Ny "offres de stage" aloha izany no ifantohana. Kendrena mba ho fizaran'asa mifandray amin'ny fianarana natao no tadiavina. Ny tanjona dia ny mba hanokafana ny lalan'asa, ka ametrahana ny "stage" natao ao anaty CV. Tsy mahafaty antoka mihitsy ny manao fizaran'asa roa na telo amina orinasa samihafa. Mandritra ireo fizaran'asa ireo dia atao izay hahitana asa raikitra na amin'ny fotoana voafetra ao amin'ilay orinasa.
Marobe ireo tolotr'asa sandoka amin'ny tambazotra sosialy Facebook, izay toa ambony be ny karama nefa tsy mitady diplaoma. Matetika dia fisolokiana izy ireny, satria asain'ilay olona mandoha vola hanaovana "fiofanana" fotsiny ary tsy misy tohiny avy eo. Tsy misy orinasa mandefa tolotra firy amin'ny Facebook. Misy ny fijerevana tolotr'asa an'habaka, ka anisan'izany ohatra ny Portaljob. Azo atao tsara ihany koa ny manokatra kaonty "LinkedIn" rehefa mahavita "stage" satria fampiderana fahaizana sy traikefa no ao.

Manao asa madinika na mamorona asa

Tsy voatery tafiditra amina orinasa akory vao lazaina hoe tena miasa. Mandra-pivalin'izay fangatahan'asa natao, azo atao tsara aloha ny manao asa madinika. Tsy mahamenatra mihitsy ny mikarama manampy olona na mivarotra. Sakana goavana mantsy ny fatahorana ny fijerin'ny hafa sy ny vavan'olona rehefa manao asa madinika. Tsy misy "asa ambany" nefa, ka tsy mahamenatra mihitsy ny manao izay asa misy na dia nahavita fianarana ambony aza. Hahavitana mangangom-bola tokoa ireny karazana asa madinika ireny, indrindra moa ho an'ireo vao nahavita fianarana mbola tsy mamelom-bady aman-janaka. Apetraka tsara ny tanjona tratrarina entina mivoatra hatrany. Raha mahita lalana tena ahitana vola moa dia tsy voatery miasa anaty orinasa intsony. Tombony be ihany koa ny tsy voafatotra amina asa anaty orinasa satria malalaka tsara ny ora iasana, sady afaka manita-kevitra hatrany ampitomboana ny vola miditra.
Azo trandrahina tsara ihany koa ny talenta ananana. Raha mahay asa tanana na zaitra ohatra dia azo atao ny mivarotra ny vokatra vitan'ny tena ihany. Ny fianarana ambony natao kosa dia ampiharina hitadiavana lalam-barotra sy hitantanana orinasakely. Amporisihana mihitsy moa ny fidirana amin'ny sehatry ny fandraharahana, amin'ny sehatra rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires