• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Asa & Fianarana

Ankizy mibaby kitapo mavesatra : tsy misy atahorana ve ?

20/02/2025 11:38 © Moov.Mg

Tsy tokony hibaby kitapo mihoatra ny 10% ny lanjany ny ankizy. Tsikaritra nefa fa maro ny ankizy mibaby kitapo mavesatra, mihoatra lavitra io lanja voalaza io, rehefa mandeha mianatra. Fa inona tokoa àry ny mety ho fiantraikan’ny fibabena kitapo mavesatra eo amin’ny ankizy ? Inona no vahaolana azo atao ?

Ankizy mibaby kitapo mavesatra, inona no mety ho fiantraikany ?

Mety tsy mandalo amin’ny saintsika ray aman-dreny na amin’ireo sekoly ny fiantraikan’ny fibaben’ny ankizy kitapo mavesatra loatra rehefa mandeha mianatra. Mety hiteraka vokadratsy tokoa nefa izany ka anisan’izany ny :
-Marary lamosina : Rehefa mavesatra loatra ny lanjan’ny kitapon’ny ankizy dia mety mahatonga fanaintainana eo amin’ny lamosina, soroka sy ny hatoka. Mety hitarika aretin’ny lamosina mitaiza toy ny « scoliose » na « cyphose » moa izany rehefa any aoriana.
-« Mauvaise posture » : Mba hahafana mahazaka ny lanjan’ilay kitapo dia mety tsy hijoro mahintsy tsara izy rehefa mandeha fa mety hivokoka na somary mirona mankany aloha ny vatany ambony. Rehefa ela ny ela dia mety tsy hijoro mahintsy intsony izy fa lasa mivokoka foana.
-Havizanana sy fanaintainana amin’ny hozatra. Mety mamizaka ny ankizy vetivety ny fibabena kitapo mavesatra loatra. Mazava ho azy fa mety hiteraka fanaintainan’ny hozatra ihany koa izany, indrindra ireo eo anivon’ny soroka, lamosina sy hatoka.
-Olana eo amin’ny fisefoana. Mety manery ny tratry ny lanjan’ny kitapo mavesatra loatra ka mahatonga fahasahiranana eo amin’ny fisefoan’ny ankizy, indrindra rehefa manao fanatanjahantena izy.
-Manembatsembana ny fitomboan’ny hozatra sy ny taolana. Ny vesatry ny kitapo baben’ny ankizy dia hanelingelina ny fitombo sy fivoaran’ny hozatra sy ny hozatry ny ankizy. Mety hisy fiantraikany amin’ny fitombon’ny fatany izany any aoriana.
-Fihenan’ny fifantohana sy ny fahazotoana mandeha mianatra. Ny harerahana sy ny fanaintainana vokatry ny fibabena kitapo mavesatra loatra dia mety misy fiantraikany amin’ny fifantohan’ny ankizy ao am-pianarana sy ny fahazotoany hianatra.

Ahoana ary ny atao hanamaivanana ny ankizy mibaby kitapo mavesatra ?

Tsy azo hamaivanina ireo mety ho fiantraikan’ny fibabena kitapo mavesatra loatra eo amin’ny ankizy. Mila mametraka vahaolana manoloana izany :
-Safidiana tsara ny kitapon’ny ankizy. Tsara kokoa raha kitapo maivana, misy « rembourrages » ary mety amboarina ny halavan’ny tadiny, misy fehikibo (ceinture ventrale) mba hampiparitaka ny lanjany fa tsy hivesatra eo amin’ny soroka fotsiny ihany ;
-Tsy fenoina zavatra be loatra ao anaty kitapo. Raha azo atao dia ireo boky sy kahie tena ilaina ihany no entina isan’andro. Ho an’ireo ankizy tsy misy fandaharam-potoana dia ireo fitaovana ihany no atao anaty kitapo fa tsy asiana zavatra hafa toy ny akanjo mafana na zavatra tsy ilaina ;
-Alamina tsara ny ao anaty kitapo. Mila ampianarina manaparitaka ireo vesatra anaty kitapo ny ankizy mba hifandanja tsara ny lanjan’izany. Ireo zavatra tena mavesatra, toy ny boky sy ny kahie no apetraka manakaiky ny lamosina.
-Raha mitaraina marary lamosina na manaintaina ny hozatra eo amin’ny lamosina, hatoka na soroka ny ankizy, dia mila entina mijery mpitsabo mba hahazoana ireo torohevitra sy fandraisan-tanana manampy azy.

Lire la suite

Articles Similaires