Zanaka mahazo vokatra ratsy any an-tsekoly : ahoana no atao ?
Zavatra iray isan’ny mahasarotina antsika ray aman-dreny ny fahombiazan’ny zanantsika amin’ny fianarana. Matetika isika dia mibedy azy ireo raha sendra ratsy ny vokam-pianarana. Mety misy fiantraikany amin’ny fahazotoan’ny ny ankizy hianatra sy ho tia fianarana nefa izany. Ahoana ary no tokony atao hanohanana ny zanaka mahazo vokatra ratsy any an-tsekoly ?
Ampianarina hanana toe-tsaina miabo ny zanaka
Mila ampianarina hanana fomba fisainana miabo ny zanaka mba tsy ho mora kivy rehefa avy mahazo vokam-pianarana ratsy. Amin’ny maha ankizy azy tokoa mantsy dia mora kivy izy ireny. Raha bedesina sy anaovana teny mahery izy dia lasa hanamelon-tena sy tsy hanana fahatokisan-tena intsony. Izany dia mety mahatonga azy tsy hazoto na tsy ho tia fianarana intsony. Noho izany, ampianarina izy hifantoka amin’ireo naoty sy ezaka tsara vitany teo aloha. Izany dia mandrisika azy hikiry hatrany.
Mifampiresaka milamina sy ankalalahana
Mila maka fotoana malalaka ifampiresahana amin’ny zanaka mikasika ny vokam-pianarana ratsy izay hazony. Mifampiresaka milamina sy am-pitoniana mikasika ireo antony nahatonga azy hahazo naoty ratsy nandritra ny fitsapam-pahaizana na ny fanadinana. Anontaniana azy ihany koa ny fihetseham-pony manoloana izany sy ireo zavatra azo ataon’i Dada sy Neny hanampiana azy.
Miaraka mikaroka vahaolana hanampiana azy
Anontaniana ny zanaka ireo olana na sakana mahatonga azy tsy nahomby tamin’ny fanadinana. Anisan’ireo olana mety misy ny hoe tsy maharaka taranja iray na maromaro, tsy mahavita mifantoka, tsy mahay mianatra lesona… Rehefa voafaritra ireo olana dia miaraka mikaroka ny vahaolana. Afaka ampiana izy ohatra amin’ny famerenana na fanazavana ireo taranja tsy arany. Azo atao ihany koa ny maka mpampianatra manokana ao an-trano hanampy azy.
Omena fanamby izy
Mety ho isan’ireo antony maha ratsy ny vokam-pianarana eo amin’ny ankizy ihany koa ny hakamoana mianatra lesona, variana milalao na mijery fahita lavitra… Mba handrisihana azy hazoto hianatra dia azo atao ihany koa ny manome fanamby azy. Anisan’ny azo atao ohatra ny hoe manome fanomezana na valisoa kely ho azy rehefa tsara ny vokam-pianarana na rehefa mahazo naoty tsara rehefa fitsapam-pahaizana.