• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Conseiller
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahazaran-dratsy mampidi-trosa eo amin’ny fiainana

14/02/2024 11:36 © Moov.Mg

Anisan’ireo zavatra tsy mampihoitra amin’ny fiainana ny fahazarana mitrosa. Marina fa mety misy ny antony tsy azo anoharana ka mahatonga ny olona iray hitrosa. Matetika kosa nefa fahazaran-dratsy tsotra izao no mampidi-trosa amin’ny fiainana. ‘Ndeha ange ho resahana e !

Mandany mihoatra ny fahefa-mividy

Rehefa mihoatra ny vola miditra, izany hoe ny karama na ny tombom-barotra, ny fandaniana atao amin’ny fiainana dia mazava ho azy fa lasa tsy ampy ny enti-manana. Isan’ireo antony lehibe mampiditra trosa ny fandaniana mihoatra ny fahefa-mividy. Tandremana tsara ireo haitraitra mandany ny vola ka mahatonga ny tsy fahampiana amin’ireo zavatra tena ilaina. Mila atao an-tsaina hatrany hoe tsy mitovy daholo ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Fadiana ny mividy zavatra iray satria hoe manana ny hafa dia hividy ihany koa.

Tsy sahy na menatra miteny hoe tsy manana

Anisan’ireo fahazaran-dratsy mampiditra trosa eo amin’ny fiainana ny henamaso diso toerana. Mahakasika indrindra ny tsy fahasahiana na ny henatra miteny hoe tsy manana (vola) amin’ny hafa. Raha toa ka sendra miaraka amin’ny namana, mpiara-miasa na havana ka mila manao tsipaipaika tampoka nefa tsy manana dia tsy tokony ho menatra miteny izany. Tsy mahafaty antoka ny mandeha mody toy izay mamorona ny tsy misy ka lasa midi-trosa.

Tia mifaninana amin’ny olona eo amin’ny fiainana

Antony iray mahatonga ny olona handany mihoatra ny vola miditra aminy ny fitiavana mifaninana amin’ny hafa. Nividy finday lafo vidy i ranona dia tsy maintsy hividy ihany koa na tsy ilaina ary izany. Nahazo fiara izy dia lasa indray koa hitrosa amin’ny banky na hindram-bola amin’ireny mpampanjanabola iray mba hividianana ihany koa. Rehefa mitohy hatrany izany fifaninanana amin’ny hafa izany dia manjary lasa bokan’ny trosa tanteraka ka tsy ahavita hiavotra amin’ny fiainana.

Tsy fahaizana mitantam-bola

Na tsy mifaninana amin’ny hafa, na tsy menatra miteny hoe tsy manana, na tsy mandany vola mihoatra ny fahefa-mividy, rehefa tsy mahay mitantam-bola dia mety mbola ho tafidi-trosa ihany. Mila ianarana ny fitantanana ny vola. Raha tsy voafehy izany dia ho lanilany eny ny vola, eny na tsy manao haitraitra aza. Fantarina sy kajiana mialoha ny fandaniana atao mandritra ny volana. Avy hatrany dia aloha ireo izay mila aloha ary atokana izay tsy maintsy ho efaina. Fadiana ny mividy zavatra tampotampoka satria manakorontana ny fitantanam-bola izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo