• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Aerocontact
Image
Asa & Fianarana

Nahavita fianarana nefa tsy an’asa : inona no mety ho antony ?

30/11/2023 13:46 © Moov.Mg

Toe-javatra hiainan’ny tanora maro nahavita fianarana eto Madagasikara ny tsy fananana asa. Raha ny antotan’isa navoakan’ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy dia nahatratra ny 70% ny tahan’ny tanora manana diplaoma tsy an’asa tamin’ny taona 2021. Fa inona tokoa ary ireo antony mahatonga izany tsy fananana asa izany ?

Tsy maharaka ny hamaroan’ny mpitady asa ny tolotr’asa

Amin’ny maha tany mahantra an’i Madagasikara dia marefo tokoa ny toe-kareny. Na dia maro ary ireo orinasa lehibe sy kely eto amin’ny Nosy dia tsikaritra fa mbola voafetra tokoa ny sehatry ny asa. Tsy maharaka ny tinady ny tolotra amin’ny lafiny ara-kasa. Na dia mandray mpiasa vaovao hatrany aza ireo orinasa misy dia tsy hasahana ny isan’ireo vao nahavita fianarana izay tsy mitsaha-mitombo isan-taona izany. Amin’ny maha tanora sy tsy mbola ampy traikefa azy ireny moa dia mbola sarotra aminy ny hiroso amin’ny fananganana orinasa ho azy manokana na amin’ny asa-tena.

Tsy mifanaraka amin’ny fiofanana nomena ny filan'ny tsenan'ny asa

Isan’ireo antony mahatonga ny tsy fananana asa ho an’ny ankamaroan’ireo nahavita fianarana ny tsy hoe tsy mifanaraka ny filan’ny tsenan’ny asa ny fiofanana nomena teny amin’ny oniversite. Na tsy voatery ny sampam-pianarana rehetra ary no voakasik’izany dia tsikaritra fa maro amin’izy ireo no tsy mamaly ny filan’ireo orinasa. Mazava ho azy fa rehefa tsy voaomana sy voaofana tsara amin’ny asa eritreretiny hidirana ireo mpianatra nahavita fianarana dia sarotra amin’izy ireny ny ahita asa mifanaraka amin’ny diplaomany. Misy ireo tafiditra miasa fa tsy notazomin’ny orinasa noho ny tsy fahafehezana ilay asa.

Mifidifidy asa nefa tsy ampy traikefa

Maro tokoa ireo tanora nahavita fianarana no mieritreritra fa rehefa ambony ny diplaoma ananany dia afaka misahana asa sy andraikitra ambony ao amin’ny orinasa avy hatrany izy ireo. Tsy mifanaraka amin’izany nefa ny zava-misy satria mitaky traikefa ny asa sy andraikitra ambony, indrindra amin’ireny orinasa ireny. Mila mandalo antanantohotra noho izany ireo tanora vao nahavita fianarana ka manaiky ny hanomboka amin’ny asa kely karama vao miakatra tsikelikely. Ny fifidifidianana sy ny fiavonana asa no isan’ireo antony mahatonga azy ireny tsy an’asa mandritra ny fotoana ela.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo