• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra hialana amin’ny tsy fananana asa

18/10/2023 14:03 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo olona tsy an’asa ka lasa mirenireny eny rehetra eny. Samy voakasik’izany avokoa na ny tanora na ireo efa nahazo taona. Toe-javatra azo hiadiana tsara nefa ny tsy fananana asa. Araho eto ary ireo torohevitra azo ampiharina mba hialana amin’ny tsy fananana asa.

Mianatra asa

Ekena fa maro tokoa ny olona tsy nahavita fianarana eto amintsika nohon’ny antony maro samihafa. Tsy voatery ireo olona manana diplaoma ihany anefa no mahita asa fa maro ihany koa ireo karazana asa azo atao tsy mitaky izany. Raha manana enti-manana dia azo atao ny mianatra asa. Maro ankehitriny ireo fampianarana asa-tanana izay tsy lafo loatra ny saram-pampianarana. Anisan’izany ohatra ny fianarana manjaitra, manao volo, manamboatra fiara, manao fanaka… Afaka ahitana asa ireo fahaiza-manao ireo ary afaka hanaovana asa-tena ihany koa.

Tsy mifidy asa

Tsy misy ny asa ratsy. Rehefa asa afaka hamelomana ny ankohonana dia azo lazaina ho mendrika avokoa. Noho izany, mba hialana amin’ny tsy fananana asa dia fadiana ny miavona na mifidifidy asa. Atao izay tolotr’asa mifanandrify amin’ny zavatra hay na vitan’ny tena. Fomba iray hahazoana traikefa ihany koa izany ka rehefa any aoriana afaka miasa-tena raha toa ka ampy finiavana sy faniriana ny hivoatra.

Tsy menatra ny mitady asa

Anisan’ny vato misakana ny olona maro amin’ny fahitana asa ny fahamenarana na ny tsy fahasahiana mitady asa. Raha mila asa ianao dia mila mandeha mikaroka izany satria tsy ny asa no hanantona anao. Tsy tokony ho menatra hanantona orinasa na hanontany ny olona manodidina sao misy asa azo atao mifanaraka amin’ny zavatra hainao na ny traikefa anananao. Mila tadidiana hatrany ilay fomba fiteny hoe « izay mitady ihany no mahita » !

Mila mikiry sy mazoto

Fahavalo lehiben’ny fahitana sy fananana asa ny hakamoana. Mila mazoto sy mikiry hatrany mba hahita na asa fitadiavana sahaza ny tena. Tsy voatery hahita asa eo no eo vao mitady. Mety maharitra herinandro na volana maro vao hahita izany. Mila fikirizana sy faharetana noho izany ny fitadiavana asa. Tsy azo atao ny mora kivy sy ny miraviravy tanana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo