• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Adobe Stock
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra hianarana sy hifehezana teny vahiny haingana kokoa

17/10/2023 11:40 © Moov.Mg

Ilaina amin’ny sehatra maro eo amin’ny fiainana ny fahaizana teny vahiny, indrindra amin’ny lafiny ara-kasa. Azo atao tsara ny mianatra teny vahiny na efa lehibe aza. Ireto ary misy torohevitra mahomby hianarana sy hifehezana teny vahiny haingana kokoa.

Manaraka fampianarana teny vahiny

Azo atao ny mampiana-tena, nefa tsara sy mora kokoa ny manaraka fampianarana ilay teny vahiny mba hahafehezana izany haingana kokoa. Azo atao tsara ny manantona toeram-pampianarana ho an’ny olona efa miasa na tsy manana fotoana handehanana an-tsekoly. Efa misy ihany koa ny « cours en ligne » izay afaka arahana ao-trano mba hahaizana ireo fitsipika fototr’ilay teny vahiny.

Ampidirina amin’ny fiainana andavanandro ny teny vahiny

Mora hay sy voafehy kokoa ny teny vahiny iray rehefa ampidirina ao amin’ny fiainana andavanandro. Atomboka amin’ny fomba tsotra izany. Azo atao ohatra ny mametaka ny anaran’ireo zavatra mora tazana ao an-trano amin’ilay teny vahiny tiana fehezina. Manampy betsaka ihany koa fanarahana olona miteny ilay fiteny vahiny io ao amin’ny tambajotra sosialy. Mahomby ihany koa ny fihainoana fandaharana amin’ny onjam-peo hizarana amin’ilay fiteny. Etsy andaniny, ilaina ny manana « dictionnaire » ahafahana mamantatra ny dikan-teny.

Ampiasaina ny fihetseham-po

Manampy be amin’ny fianarana sy ny fifehezana teny vahiny iray ihany koa ny fitadiavana zavatra iray mampisy fihetseham-po, toy ny hira, boky… Rehefa mahafinaritra sy mahaliana ny zavatra iray dia mazoto kokoa mamantatra ny tiany ambara. Mora tadidy ihany koa ny dikan’ireo teny ampiasaina ao anatin’izany. Raha ho an’ny hira manokana dia efa misy ireo tononkira miaraka amin’ny dikan-teny ahafahana mahazo izay tiany ambara.

Mahaasahy miteny sy mamerina ny teny vahiny hianarana

Mila sahy miteny ilay teny vahiny hianarana mba hahaizana sy hifehezana izany. Tsy tokony hatahotra na ho menatra miteny na dia mbola tsy mahay tsara aza. Rehefa mizatra sy sahy miteny hatrany dia mora hay izany. Ilaina ihany koa ny mamerina ireo teny re mba hizarana amin’izany. Tsy maninona na tsy mety ary ny fomba fanononana amin’ny voalohany. Mila miezaka sy mikiry hatrany mba ho tonga amin’ny tanjona iriana. Tsy adinoina ny mamaky teny miteny mafy ao an-trano na ihany koa miezaka mampiasa ilay teny vahiny amin’ny alalan’ny fehezanteny tsotra amin’ny andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo