• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Sain Et Naturel -Ouest-France
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra hanampiana ny ankizy rehefa mianatra ao an-trano

16/10/2023 11:16 © Moov.Mg

Ankoatra ny fandehanana any an-tsekoly dia ilain’ny ankizy ihany koa ny mianatra ao an-trano. Io fotoana io no hamerenana ny lesona sy hanaovana ny enti-mody. Matetika nefa dia sarotra amin’ny ankizy ny mifantoka rehefa mianatra ao an-trano. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy afaka hanampiana azy ireo.

Mametraka lamina sy fahazarana mikasika ny fotoana hianarana ao an-trano

Mitony kokoa ny sain’ny ankizy rehefa mametraka lamina mazava ny ray aman-dreny amin’ny fotoana hianarany ao an-trano. Izany hoe, faritana mazava hoe rehefa amin’ny firy no tokony mamerina lesona sy mamita ny enti-mody rehefa andavanandro. Manisy lamina toy izany ihany koa rehefa faran’ny herinandro, izany hoe ny asabotsy sy ny alahady. Rehefa mipetraka izany fandaminana izany dia mivadika fahazarana ho an’ilay ankizy ka mora mivonona ny sainy rehefa tonga ny fotoana hianarany ao an-trano.

Manokana fitoerana milamina hianaran’ny ankizy ao an-trano

Manan-danja lehibe amin’ny fahafahan’ny ankizy mifantoka rehefa mianatra ao an-trano ny fitoerana hanaovany izany. Tsara raha mipetraka ambony seza mampahazo aina sy eo amin’ny latabatra milamina tsy ahitana zavatra mikorontana ny ankizy no mianatra. Alavirina ihany koa ireo feo sy tabataba mety hanelingelina na hahavariana azy rehefa izy mianatra lesona na manao enti-mody iny. Raha manana fahafahana ny ray aman-dreny dia tsara raha hampanamboarana latabatra sy seza sahaza ny habeny ny ankizy mba hampazoto azy hianatra ao an-trano.

Avela hianatra irery ny ankizy fa tsy ambenana be loatra

Manampy betsaka ny ankizy hifantoka sy hiezaka kokoa rehefa mianatra ao an-trano ny famelana azy hianatra irery. Tsy zarina atoro ary tsy tokony ambenana be loatra izy fa avela haleo tena. Izany dia mampianatra azy ihany koa tsy hiantehitra amin’ny hafa fa mba hiezaka irery mba hahomby amin’ny fianarany. Raha misy kosa nefa zavatra tsy hainy na tsy azony amin’ny lesona na ny enti-mody dia azony atao tsara ny mangataka fanampiana amin’ny ray aman-dreny na amin’i zoky.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo