• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Miss Seo Girl
Image
Asa & Fianarana

‘Ndao resahana ny maha samihafa ny « Télétravail » sy ny « Freelance »

09/10/2023 16:25 © Moov.Mg

Fomba fiasa fahenontsika tao anatin’ny taona vitsivitsy ny hoe « télétravail » sy ny « Freelance ». Samy azo atao ao an-trano izy ireo ka izay no teboka mampitovy azy. Na efa maro ary ny Malagasy misehatra amin’izy ireo dia maro koa ireo mbola tsy mahafantatra ny maha samihafa azy. Hazavaina eto ary ny atao hoe « télétravail » sy ny atao hoe « Freelance ».

Inona no atao hoe « télétravail » ?

Ny atao hoe « télétravail » dia ny fanatanterahan’ny mpiasa amin’ny orinasa ny asany ao an-trano na amin’ny toerana ivelan’ny toeram-piasany. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohona vokatry ny valan’aretina « Coronavirus » moa no nampiroborobo ity karazana fomba fiasa ity. Izany hoe mpiasan’ny orinasa ara-dalàna ary manana « contrat » CDI na CDD amin’ilay orinasa mihintsy ilay olona manao « télétravail ». Noho izany, manaraka ny rafitra rehetra misy ao anatin’ilay orinasa izy, toy ny ora fiasana, « avantages sociaux », …

Inona no atao hoe « Freelance » ?

Ny « Freelance » indray dia ny fanaovana asa tena ka manolotra « services » amin’ny olona na orinasa. Izany hoe tsy mpiasan’ny orinasa ny olona manao « Freelance » na « freelanceur ». Afaka manao fifanarahana na « contrat » amin’ny orinasa ivarotany ny asany izy fa tsy tafiditra anatin’ny rafitr’ilay orinasa akory. Marihana fa tsy ny miasa amin’ny « Internet » na amin’ny solosaina irery ihany no azo atao « Freelance ». Azo anaovana izany asa tena izany avokoa ireo karazana sehatra samihafa ahafahana manao asa tena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo