• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Asa & Fianarana

Hiditra 1ère année eny Ankatso : Inona avy ireo tokony iomanana ?

03/10/2023 13:41 © Moov.Mg

Tsy ho ela dia ho tapitra ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Misy ireo fakiolte no efa namoaka ny vokatry ny fifaninanana nidirana taona voalohany, raha mbola misy ireo eo am-pikarakarana izany fanadinana izany. Ho an'ireo izay efa nahazo voka-panadinana, na manantena mafy ny ho afaka, tsara ny mieritreritra mialoha ny fidirana eny amin'ny Anjerimanontolo.

Miezaka mifoha maraina

Marobe ny mpianatra eny Ankatso, ka matetika no ifanenjehana ny toerana. Tsara tadidiana ihany koa fa misy ny "cours" manomboka amin'ny 6 ora maraina. Ilaina araka izany ny mifoha maraina dieny izao. Raha miditra amin'ny 6 ora maraina tokoa, mila miala any an-trano amin'ny 5 ora maraina raha mbola hanenjika bus. Mila mifoha amin'ny 4 ora maraina araka izany amin'ny fiomanana rehetra.
Mila herin-tsaina sy herim-batana matanjaka ny fianarana eny Ankatso, satria enjikenjika ny fanarahana ny "emploi du temps" sy ny fikarohana mila atao. Misy amin'ireo fakiolte no mianatra na dia andro alahady aza.
Tsy mora ny fianarana, indrindra moa fa vitsy matetika ireo miakatra taona faharoa raha mihoatra amin'ny isan'ny taona voalohany. Mila miomana isan'andro ihany koa amin'ny fanadinana, satria mety hisy ny asa iombonana na adina am-bava/ an-tsoratra tampoka.

Mikajy ny vola entina isan'andro

Maimaimpoana ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Misitraka vatsim-pianarana ihany koa ny mpianatra rehetra. Marihana nefa fa tsy voafaritra mialoha ny andraisana izany tohana izany. Koa satria tsy maintsy mivezivezy eny Ankatso isan'andro, mila omanina ny frais sy ny sakafo. Tsy adino ihany koa ny vola ilaina amin'ny "connexion internet" sy ny "polycopes". Tsy maintsy anaovana fikarohana mantsy ireo lesona sy fanazarana rehetra. Misy ihany koa ny "voka-pikarohana" madinidinika mila averina amin'ny mpampianatra.
Marihana fa misy ny tranomboky eny Ankatso, eny Ambohijatovo sy eny Anosy. Saingy raha te hahita boky betsaka kokoa, azo atao tsara ny manomana vola eny amin'ireo tranomboky tsy miankina, toy ny eny amin'ny IFM ohatra. Mety ilaina ihany koa ny manokana vola ividianana boky, arakaraka ny taranja atao.

Fahamatorana

Ilàna fahamatorana tanteraka ny fianarana eny Ankatso. Amin'ny ankapobeny mantsy, tsy misy "fiche de présence" hanamarinana ny fahatongavana. Misy araka izany ireo alaim-panahy hivily lalan-kafa ka hanenjika "examen" fotsiny. Tsy vitsy ireo naman-dratsy izay mety hitarika amin'izany. Ho an'ireo te ho tafita, tsara ny manatrika ireo "cours" rehetra sy manao izay rehetra ampanaovin'ny mpampianatra. Na inona na inona ny "filière" idirana, misy taranja maromaro ao ka lasa mamerina taona iray raha misy tsy afaka ny iray amin'izany.
Ilaina ny fikirizana rehefa mianatra, indrindra moa fa efa fanomanana tanteraka ny hoavy ny fianarana eny amin'ny ambaratonga ambony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo