• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Le Soleil
Image
Asa & Fianarana

Fanabeazana : ireo tombontsoa azo avy amin’ny filalaovana « échecs »

02/10/2023 11:39 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo sekoly mampiditra ny fampianarana sy ny filalaovana « échecs » ao anatin’ny « activités parascolaires ». Kilalao mampiasa saina ary mampialavoly ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe tokoa moa izy io. Fa inona avy ary ireo tombontsoa azo avy amin’ny filalaovana « échecs » ?

Manampy amin’ny fikolokoloana ny saina sy ny atidoha

Fomba iray fikolokoloana ny saina sy ny atidoha ny filalaovana « échecs ». Mampiasa ary mamparanitra ny saina ireo karazana tetika ampiasaina amin’ity karazana lalao ity. Rehefa mizatra manao « échecs » ny olona iray, na ankizy na lehibe, dia mihatsara ny fahafahan’ny sainy mifantoka sy mitadidy. Mivelatra ihany koa ny fahaizany mamaha olana sy mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny. Manampy amin’ny fisorohana ny sasany amin’ireo aretin’ny atidoha, toy ny Alzheimer…

Manatsara ny fahaizana mifandray amin’ny hafa

Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny hafa ny filalaovana « échecs ». Marina fa azo atao ny milalao samirery azy ity nefa mahafinaritra kokoa ny manao izany miaraka amin’ny namana na amin’ny mpianakavy. Mampianatra ary mampitombo ny fahaizana mifanerasera sy mamaha ny disadisa amin’ny hafa ny filalaovana « échecs ».

Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fanabeazana

Fitaovam-pampianarana ilaina ary tena manampy tokoa ny « échecs ». Mampianatra ny mpilalao hampivelatra ny fahaizany mandinika, mamakafaka sy mitady vahaolana amin’ny olana mipetraka ity karazana lalao ity. Azo ampiasaina ho fanamafisana ny fianarana taranja sasany toy ny « mathématiques » sy ny taranja siantifika hafa ihany koa ny « échecs ».

Mampitony ny rarin-tsaina

Toy ny lalao rehetra dia mampiala voly ny filalaovana « échecs ». Mampiasa sy mampivelatra ny saina, fa indrindra manala ny sorisory, ny fanaovana izany. Rehefa milalao « échecs » dia adino vetivety ireo olana ka mitony ho azy ny rarin-tsaina. Etsy andaniny dia manampy amin’ny fampitomboana ny fahatokisan-tena ny filalaovana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo