• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Vocasciences
Image
Asa & Fianarana

Asa amin'ny sehatry ny fahasalamana : Safidio ny filière "Paramédicaux"

28/09/2023 10:07 © Moov.Mg

Tsy voatery hianatra 8 taona no mihoatra akory vao afaka hiasa amin'ny sehatry ny fahasalamana. Anisan’ny « filière » iray manan-danja amin’ny tontolon’ny fitsaboana ary hiofanana mandritra ny 3 taona ny « paramédicaux ». Araho ary ireo mila fantatra mikasika fiofanana « paramédicaux ».

Ireo asa azo atao rehefa nahavita fiofanana « paramédicaux »

Ny fiofanana paramédicaux dia manomana ireo mpianatra ho tonga matihanina amin’ireo karazana asa samihafa mifampiankina amin’ny sehatry ny fahasalamana. Ireo paramédicaux na hoe « paramed » dia manampy ny mpitsabo amin’ny fandraisana, ny fikarakarana ary fanaraha-maso ny marary. Maro noho izany ireo asa azo atao rehefa nahavita fiofanana paramédicaux, toy ny :
-« Infirmier généraliste » izay hiofanana mandritra ny 2 taona ;
-« Infirmier assistant anesthésiste » izay hiofanana mandritra ny 2 taona ;
-« Sage-femme » (mpampivelona na rasazy) hiofanana mandritra ny 3 taona ;
-« Technicien de laboratoire » hiofanana mandritra ny 2 hatramin’ny 3 taona ;
-« Kinésithérapeute » hiofanana mandritra ny 2 taona ;
-Sns…

Aiza no miofana ho paramédicaux ?

Raha ny eto Madagasikara manokana dia mbola vitsy hatreto ireo toeram-pampiofanana nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny Institut de Formation Inter-Régional de paramédicale na « IFIRP » no sekolim-panjakana mampiofana ho paramédicaux eo amintsika. Afaka manao fifaninana hiditra ao amin’ny IFIRP avokoa ny mpianatra manana BAC rehetra. Miankina amin’ny asa tiana sahanina any aoriana ny faharetan’ny fiofanana. Misy ireo asa mitaky fianaran-kasa eny amin’ny toeram-pitsaboana vao mahazo ny diplaoma, toy ny fianarana ho mpampivelona.
Tsy vitsy ihany koa ireo toeram-pianarana tsy miankina manolotra fampiofanana. Tsy maintsy safidiana tsara nefa izany, mba hisorohana ny fahaverezan'ny vola sy ny fotoana. Tsara raha toeram-piofanana efa eken'ny fanjakana no hisoratana anarana.

Ireo fiomanana tsara ho fantatra alohan’ny hiofanana ho paramed

Koa satria taona vitsy ihany no mianatra, mila mivonona amin'ny enjikenjika izay te ho tafita. Vao taona voalohany dia efa manomboka ny fizaran'asa. Matetika dia eny amin'ny CSB2 no toeram-piasana voalohany ka manampy ireo dokotera, mandanja zaza, mitsapa "tension", manindrona sy manao asa madinidinika ho fanampiana ny mpitsabo. Arakaraka ny asa safidiana no andefasana ireo mpianatra amin'ny fizaran-draharaha. Ny mpiofana nahazo diplaoma amin’ny asa toy ny mpampivelona sy « kinésithérapeute » dia afaka manokatra « cabinet » rehefa nahavita ny fiofanana ka nahazo diplaoma.
Raha hiroso amin’ny fiofanana ho paramédicaux dia mila mahafeno ireto fepetra manarak’ireto ny mpianatra :
-Manana toetra sariaka sy mahay mifandray amin’ny hafa ;
-Tsy mora tezitra ;
-Tsy sarotin-drikoriko (tsy voatery haharaka ny fahadiovana avokoa ny marary sy ny mpikarakara) ;
-Tia karokaroka sy fivoarana ;
-Matanjaka ara-tsaina sy ara-batana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo