• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rtl
Image
Asa & Fianarana

Fanomanana ny fidiran'ny mpianatra : Inona avy ireo kojakoja ilain'ny ankizikely ?

30/08/2023 10:30 © Moov.Mg

Andro vitsivitsy sisa dia hanomboka ny taom-pianarana vaovao. Ankoatra ny fitaovana ilain’ny mpianatra dia misy ihany koa ireo kojakoja mila homanina raha toa ka mbola kely ny zaza hianatra. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo kojakoja ilain’ny ankizikely mila vidiana mialohan’ny fidirana mianatra.

Kojakoja ilain’ny ankizikely : akanjo maromaro entina mianatra

Anisan’ny kojakoja ilain’ny ankizikely hiatrehana ny taom-pianarana ny akanjo. Alohan’ny fidirana dia efa mila manomana fitafy maromaro ny ray aman-dreny. Izany hoe asiana karazana akanjo isan-karazany mifanaraka ny toetry ny andro sy ireo fandaharam-potoana ao am-pianarana. Tsara raha atao misy hisolosoloana ny akanjo satria ny ankizikely dia tena mandoto sy mora manimba lamba. Anisan’ireo mila homanina ny fitafy maivana satria hiditra andro mafana isika izao. Tsy adinoina ihany koa ny akanjo miaro amin’ny orana, toy ny imperméables, mba hiarovana ilay zaza amin’ny fahavaratra. Ny akanjo mafana sy ny pataloha moa dia ilaina hatrany rehefa mangatsiaka ny andro. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny atin’akanjo samihafa toy ny silipo sy ny bà kiraro. Mila manantona ny sekoly ihany koa manontany ny tenue sy ny tablier mila vidiana raha ilaina izany.

Kiraro sy kapa, ezahina atao maromaro

Kojakoja ilain’ny ankizikely hiditra hianatra ihany koa ny kiraro sy ny kapa. Marina fa samy manana ny enti-manany ny ray aman-dreny tsirairay ka mety tsy voatery hahavidy kiraro sy kapa maro hanomanana izao fidirana izao. Tsara kosa nefa raha manomana karazana kiraro roa ary kapa roa farafahakeliny amin’izao fidirana izao mba hisolosoloan’ny zaza. Mety kokoa raha kapa feno manarona ny ratsan-tongotra no safidiana ho an’ny ankizikely. Afaka miaro ny ankizy amin’ny ratra izy ireny raha sendra tafintohina na mianjera mantsy izany. Ilaina ihany koa ny bottes de pluie mba hiatrehana ny fahavaratra. Tsy haitraitra tokoa ireny karazana kiraro ireny fa tena miaro ny tongotry ny zaza amin’ny hamandoana sy ny loto vokatry ny rano miandrona eny an-dalàna izay tsy maintsy hitsahina.

Ireo fitaovana samihafa ilain’ny ankizikely handeha hianatra

Misy ihany koa ireo fitaovana ilain’ny ankizikely rehefa mandeha mianatra ka mila vidiana alohan’ny fidirana. Anisan’izany ny satroka tsihy na ny casquette. Ilaina tokoa izy ireny mba hiarovana ny lohan’ny ankizy amin’ny masoandro. Tsy azo atao tsirambina ireo fitaovana ireo satria mbola tsy mahazaka hafanana ny ankizikely ka mora marary an-doha na mandeha rà orona raha tratry masoandro ela loatra. Tsy adinoina ihany koa ny mividy mosara lamba maromaro mba hampitondraina azy rehefa mandeha mianatra. Antoky ny fahadiovan’ny zaza ny fitondrana izany, indrindra rehefa voan’ny sery iny. Kojakoja iray ilaina ihany koa ny gourde na ny tavoahangy fitondrana rano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo