• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Mpianatra hiatrika fanadinana gym bac : ireo fiomanana atao

22/05/2023 10:08 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny fotoana fiatrehan’ny mpanala fanadinana bac ny taranja fanatanjahantena. Mila fiomanana tsara ny fanatanterahana izany mba hahombiazana, fa indrindra hisorohana ny tranga toy ny hoe manevika, sempotra na safotra eo ambony kianja. Inona ary ireo fiomanana tokony atao hiatrehana ny taranja « gym » bac ?

Mizatra manao fanazaran-tena alohan’ny fiatrehana ny fanadinana gym bac

Ny fiomanana ara-batana no fomba iray voalohany manampy indrindra amin’ny fahombiazana ny fiatrehana ny fanadinana « gym » bac. Efa maro moa ireo fanazarana natao tany am-pianarana nandritra ny taona. Nisy ihany koa ny fizahana ara-pahasalamana natao tamin’ny mpianatra tsirairay hanamarinana ny fahafahany miatrika izany taranja ara-panatanjahantena izany. Raha nanatanteraka tsara ny fanazaranan-tena tany an-tsekoly izany ny mpianatra dia azo lazaina efa vonona ihany ny vatany hiatrika ny fanadinana. Mbola manana tombony kosa anefa ireo izay misafidy ny hikotrana ivelan’ny fotoam-pianarana, toy ny hoe miazakazaka, milalao baolina… Rehefa zatra tsara ny vatana dia tsy ho mora manevika ary mahomby kokoa ny mpiadina.

Atao vonona tsara ny saina rehefa hiatrika ny fanadinana gym bac

Marina fa ny vatana no tena miasa rehefa miatrika ny fanadinana gym bac. Tandremana tsara kosa nefa mba ho fantatra sy tadidy avokoa ireo fitsipikin’ny taranja ara-panatanjahantena izay nampianarina nandritra ny taona. Anisan’ireo singa lehibe hanomezan’ny mpitsara isa ny mpiadina tokoa mantsy ny fanajana ireny fitsipika ireny. Mila mivonona ara-tsaina tsara noho izany ny mpiadina mba tsy hanaovana fahadisoana mandritra ny fanadinana. Fomba iray afaka manampy amin’ny fitadidiana ireny fitsipika ireny ohatra ny famerenana mijery ireo fitsipika amin’ny aterneto na mijery fifaninana mahakasika ny taranja ara-panatanjahantena izay nosafidiana.

Mikarakara vatana mba hatanjaka tsara amin’ny andron’ny fanadinana

Mila homanina dieny izao ny vatana mba hatanjaka tsara amin’ny andro hiatrehana ny fanadinana gym bac. Ankoatra ny fanaovana fanazaran-tena dia manampy betsaka ihany koa ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Ireo sakafo mitondra tanjaka ho an’ny vatana no atao feno tsara. Anisan’izany ny voankazo sy ny legioma, ny hena, ny atody ary ny ronono sy ireo vokatra azo avy amin’izany. Tsy adinoina ihany koa ny maka aina tsara, indrindra mandritra ny herinandro mialoha ny fanadinana. Atao ampy adiny 8 ny torimaso isak’alina ary tsy atao mafy loatra intsony ny fanazaran-tena atao.

Homanina tsara ny fitaovana entina miatrika fanadinana

Ilaina ny manomana mialoha ireo fitaovana entina miatrika ny fanadinana gym bac mba hampihena ny tahotra sy ny rarin-tsaina rehefa tonga ny andro hanatanterahana izany. Atao vonona tsara ny akanjo sy ny kiraro mampahazo aina izay hanaovana. Apetraka amin’ny toerana mora hita ihany koa ireo antonta-taratasy ilaina sy ahafahana miatrika ny fanadinana : convocation, karatra maha-pianatra na karapanondro… Mila misakafo maraina ihany koa ny mpiadina vao miainga any an-trano. Tsy manao voky be kosa nefa fa mety hampanevika. Tsy adinoina ny mitondra rano fisotro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo