• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Asa & Fianarana

Asa : ahoana no atao raha te ahomby amin’ny varotra ?

15/05/2023 14:18 © Moov.Mg

Tsy moramora ny mivarotra, na vokatra izany na entana na tolotra. Tsy ny olona rehetra tokoa mantsy no manana ny fahaiza-manao amin’ny fivarotana. Manana tombony kokoa ireo nianatra manokana ny tontolon’ny varotra. Misy kosa nefa etsy andaniny ireo mahay mampiatra fomba fiasa mandaitra ka mahatonga azy ireo mora mahalafo ny entana na tolotra amidiny. Inona ary ny fahazarana tokony hananana raha te ahomby amin’ny varotra ?

Mila mahay sariaka amin’ny mpanjifa raha te ahomby amin’ny varotra

Fomba iray mitarika olona hividy entana na tolotra amidy aminy ny fahaizan’ny mpivarotra manantona ny fony. Mila atomboka amin’ny toetra sariaka ny fandraisana ny mpanjifa raha te ahomby amin’ny varotra. Ohatra akaiky amin’izany ny zava-misy amin’ireny toeram-pivarotana fitafy ireny. Mahalafo entana kokoa ireo mpivarotra mandray an-tsikitsiky ireo mpanjifa miditra ao amin’ny tsenany. Maro tokoa ireo olona no tsy manjifa raha toa ka ratsy ny fandraisana azy, eny na dia ilainy sy tiany tokoa ary ilay zavatra amidy.

Mamantatra sy mifehy tsara ny entana na tolotra amidy

Sakana lehibe eo amin’ny sehatry ny varotra ny tsy fahafehezan’ny mpivarotra ny entana na tolotra amidiny. Ny ankamaroan’ny mpividy dia mila atoro sy azavaina ireo lafin-javatra maro mahakasika ny entana na tolotra mahaliana azy. Tokony mahafantatra amin’ny antsipirihany ny zavatra hamidiny izany ny mpivarotra raha te ahomby amin’ny varotra. Sarotra mahalofo ny mpivarotra tsy mahavaly ireo fanontaniana apetraky ny mpividy mahakasika ilay zavatra tiany jifaina. Matetika moa ny mpanjifa tsy manam-potoana hiandrasana ela loatra ka tonga dia lasa raha tsy mahazo valiny haingana.

Miezaka hatrany manaja ny mpanjifa

Mila mahay manaja ny mpanjifa raha te ahomby amin’ny varotra. Atao an-tsaina mandrakariva fa miala vola izy ireny amin’ny entana na tolotra jifainy ka rariny raha hajaina. Miainga amin’ny fomba fandraisana moa izany. Tsy azo atao ny mitsara ny mpividy amin’ny endriny sy ny paoziny ivelany. Atao mitovy avokoa ny fandraisana ny olona tsy ankanavaka. Aseho amin’ny fiteny sy firesaka ihany koa izany fanajana izany. Fadiana ny manao valin-teny anavonavona sy ny manao valim-boraingina. Miezaka miala tsiny raha nampiandrasina ela loatra ny mpanjifa, na tamin’ny fandraisana na tamin’ny fangalana ny entana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo