• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © La Voix Du Nord
Image
Asa & Fianarana

Fahaizana mampiana-tena : antoka iray ahombiazana amin’ny fianarana

09/05/2023 15:42 © Moov.Mg

Antoka iray lehibe ahombiazana amin’ny fianarana ny fahaizana mampiana-tena na mianatra irery ao an-trano. Manampy betsaka amin’ny fanitarana ny saina sy ny fahafehezana ny zavatra ianarana anya m-pianarana izany. Inona ary no tokony atao mba ahaizana mampiana-tena ?

Mila maka toerana mangina rehefa mampiana-tena

Tsy moramora ny mampiana-tena, indrindra ho an’ny ankizy na tanora mora variana. Izany indrindra no ilàna maka toerana mangina sy tsy be mpivezivezy rehefa hianatra ao an-trano. Rehefa mitokana toerana mantsy dia mora kokoa ny mifantoka amin’ny fianarana izay atao. Raha tsy misy efitra manokana ahafahana mianatra dia tenenina ny ao an-trano mba tsy hitabataba be loatra. Azo atao ihany koa ny maka fotoana hianarana rehefa matory ny olona ao an-trano, izany hoe amin’ny alina na vao maraina. Tandremana kosa anefa mba tsy ho latsaky ny adiny 7 ny faharetan’ny torimaso isak’alina fa mety ankarary.

Alavirina ireo rehetra manohitohina ny fifantohana

Rehefa mampiana-tena dia ezahina mba ny fianarana ihany no ifantohan’ny saina. Noho izany, alavirina avokoa ireo rehetra mety hanintona ny maso, toy ny fahitalavitra sy ny finday. Ezahana alavirina ihany koa ny tabataba sy ny resadresaka mety hanapaka ny fifantohana. Anisan’ny manohitohina ny fifantohana ihany koa ny saina. Rehefa tapa-kevitra hoe hianatra dia aoka ajanona avokoa ireo eritreritra hafa ivelan’ny fianarana hatao. Fadiana ny mitsalany na matoritory eo am-pandriana rehefa mampiana-tena manjary te hatory na mora tsy mifantoka. Tsara kokoa raha eo amin’ny latabatra ampy hazavana no mianatra.

Mila mandrafitra fandaharam-potoana rehefa mampiana-tena

Mila alamina tsara ny fandaharam-potoana rehefa mampiana-tena ao an-trano. Tsy afaka hianarana na atao famerenana ao anatin’ny andro iray ny taranja rehetra. Mila arindra tsara hoe zavatra iray na roa ihany no hianara amin’ny fotoana iray. Ho tony sy hazoto kokoa ny saina rehefa atao tsikelikely ny zavatra hianarana. Raha toa ka efa lava be ny lesona atao famerenana dia azo zaraina indroa miantoana ny fanaovana izany. Ho an’ireo taranja mananosarotra moa dia mila maka fotoana malalaka tsara hamerenana milamina ny lesona sy ny fanazarana natao tany an-tsekoly.

Tsy mihonona amin’ny fampianarana tany am-pianarana

Antoka iray ahombiazan’ny mpianatra mampiana-tena ny fananany saina tia karokaroka. Tsy mihonona amin’ny fampianarana sy ny lesona natao tany am-pianarana fa miezaka foana mampitombo ny fahalalana. Tsy misalasala ihany koa mametraka fanontaniana amin’ny mpampianatra na amin’ny zoky sy ray aman-dreny raha misy lesona na fanazarana tsy azo tsara. Azo atao ihany koa ny mankany amin’ireny toerana famakiam-boky ireny na manao fikarohana amin’ny aterneto mba hanamafisana ny fahalalàna.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo