• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Tsidika
Image
Asa & Fianarana

Ankizy kely hanala CEPE : ireo fiomanana tokony atao

05/05/2023 17:21 © Moov.Mg

Fanadinam-panjakana voalohany atrehin’ny ankizy ny CEPE. Mety hatahotra sy haitaitaina kely izy hiatrika izany. Inona avy ary ireo fiomanana tokony ataon’ny ray aman-dreny mba hahatonga ny ankizy kely hanala CEPE ho tony sy hanana fahatokisan-tena ?

Vidiana mialoha ny akanjo mafana sy ireo fitaovam-pianarana entin’ny ankizy kely hanala CEPE

Efa tafiditra ao anatin’ny vanin’andro mangatsiaka ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ho an’ny kilasy faha 7. Rariny tokoa noho izany raha atao mafana tsara ny ankanjo entin’ny ankizy kely hanala CEPE. Mety hitarika tsy fifantohana ho an’ny zaza raha toa ka mangatsiaka izy mandritra ny andron’ny fanadinana. Tsara ihany koa raha vidiana mialoha izany akanjo entiny hanala fanadinana izany. Amin’ny maha zaza azy dia ho faly sy harisika tokoa izy hiatrika CEPE satria nahazo akanjo vaovao. Ampiana kiraro mampafana ihany koa izany raha ampy ny enti-manana. Tsy adinoina ihany koa ny mividy ireo fitaovam-pianarana entin’ny zaza hanala CEPE. Jerena ireo fitaovana mbola mety ampiasaina ary soloina kosa ireo hita fa efa simba.

Ampanaovina famerenana tsikelikely ny ankizy kely hanala CEPE

Marina fa efa maro ireo fanazarana sy famerenana ampanaovin’ny mpampianatra ny ankizy kely hanala CEPE. Tsy tokony ankinina amin’ny fianarana irery ihany anefa izany fiomanana amin’ny fanadinana izany. Mila manampy tosika kely ihany ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fanaovana famerenana tsikelikely ao an-trano rehefa fotoana tsy fianarana. Tsy atao mavesatra be kosa anefa izany. Atao mifandimby ny famerenana ny lesona sy ny fanazarana ary tsy atao mihoatra ny adiny iray isaky ny manao izany. Etsy andaniny dia ahena ny fotoana filalaovana sy ny fijerena fahitalavitra mba hikolokoloana ny fitadidiana sy ny fifantohan’ny zanaka hanala CEPE.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo