• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Démarches Administratives
Image
Asa & Fianarana

Manomana fisotroan-dronono : fomba mahomby hanagonana vola

27/02/2023 08:02 © Moov.Mg

Samy mila manomana ny fisotroan-dronono avokoa na ny mpiasa tena, na ny mpiasa-panjakana na ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina. Ilaina tokoa ny manangona na mampiasa vola mba hivelomana rehefa antitra tsy afaka miasa intsony. Raha ny eto Madagasikara dia maro ireo fomba afaka anatanterahina izany.

Manao petra-bola any amin’ny banky

Maro ny banky eto Madagasikara no manana tolotra natokana ho an’ny fitehirizana vola. Izany hoe, ny vola apetraka ao amin’io tolotra io dia natao mba ho angonina sy tsy ampiasaina. Miteraka zanany isan-taona ny lelavola tsy voakitika ao amin’io karazana kaonty fitehirizam-bola io. Samy manana ny tahan’ny zana-bola ny banky tsirairay. Afaka atao io petra bola io mba hanomanana ny fisotroan-dronono ary hivelomana rehefa tsy afaka miasa intsony. Tsara kokoa raha atomboka aloha izany fanangonana izany mba hitombo tsara ny lelavola tahiry.

Mampiasa vola amina tetikasa

Fomba mahomby hanomanana ny fisotroan-dronono ny fampiasana vola mba hitombony. Mikaroka tetikasa mahomby anodinana vola. Tsara kokoa raha atao vadin’asa izany raha efa manana anton’asa. Tsy voatery tetikasa goavana mila lelavola be no atao. Ny ilaina dia hoe mahazo tombony ilay zavatra atao. Rehefa miodina tsara izany, ampiasaina indray ilay tombony hampiroboroboana ilay tetikasa mba hampitombo ny lelavola azo. Ny mahatsara itony fampiasana vola itony dia afaka tohizana foana izany na efa misotro ronono aza.

Manangana trano ampanofaina

Ny trano mihofa no anisan’ny antoka iray ahafahana mivelona rehefa tonga ny fisotroan-dronono. Mandritra ny taona iasana sy itadiavana vola, mila manana tanjona toy ny manao trano ho ampanofaina. Mora kokoa ny manatanteraka izany raha efa manana tany sy enti-manana mahenika ny fananganana. Azo atao ihany koa ny mindram-bola amin’ny banky hanatontosana io tetikasa io. Tsy mora ny manatanteraka izany, kanefa rehefa mahay mihafy sy mitantana vola tsara dia azo tratrarina tsara io tanjona io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo