• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Entreprise & Compagnie
Image
Asa & Fianarana

Fananganana orinasa : ireo dingana atao

21/02/2023 14:13 © Moov.Mg

Maniry ny hanangana orinasa ve ianao? Mbola malalaka tokoa ny sehatra fanjifana eto Madagasikara. Raha toa ka vonona tsara ianao hitantana orinasa, ireto avy ary ireo dingana lehibe atao ahalavorary izany tetik’asa izany.

Fantarina ny zavatra tiana sy hay atao

Tsy azo atao ny sodokan’ny hoe be mpanao ny zavatra iray na hoe mandeha be ka dia hisafidy izany ihany koa. Mila mandinika tsara aloha hoe tiana ve ilay asa ary hay ve ? Raha zavatra tsy mahaliana na tsy hainao no asa ataonao isan’andro dia ho mora leo ianao. Mety hoe asa tsy mifanaraka ny diplaoma na fianarana nataonao ilay tianao hananganana orinasa. Rehefa mahaliana anao kosa anefa dia afaka ilofosanao tsara izany.

Mila mandalina tsara ny asa atao

Ilaina foana ny mandalina sy manampy fahalalana momba ny asa eritreretina hananganana orinasa. Manampy betsaka izany amin’ny fitantanana, fa indrindra ihany koa amin’ny firoborobon’ny zavatra atao. Amin’ny maha tompon’ny orinasa anao, mila fehezinao tsara ny momba ilay sehatr’asa. Ho mora aminao kokoa ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra amin’ireo olona miasa ao amin’ny orinasanao ary manana fahaizana manokana amin’ilay sehatra.

Mitady ny vola iaingana

Tsy voatery manana vola be am-pelatanana vao afaka manangana orinasa. Miankina indrindra amin’ilay sehatra tianao hidirana ny vola ilaina. Aza mitady zavatra sarotra na lavitra be aloha amin’ny voalohany. Atomboy amin’ny kely, avy eo mivoatra moramora. Alaviro ny saina ny hoe tonga dia atao zavatra lehibe mba ahazoana vola be haingana. Raha manana tahiry ianao dia izay ezahina ampiasaina aloha. Afaka atao ihany koa ny manantona mpampindram-bola, toy ny banky, hazoana vola iangana. Alohan’ny ampiasana vola anefa, ezaho ho matipaika avokoa ny fandaminana rehetra mikasika ny orinasa ho hatsangana.

Kendrena tsara ny mpanjifa

Tsy voatery ny olona rehetra no hanjifa ny asanao na ny vokatra vokarinao. Samihafa ny karazana mpanjifa, vehivavy, lehilahy, olon-dehibe, ankizy, manan-karena, tsy manam-bola… Miankina betsaka amin’ny mpanjifa kendrenao avy eo ny paikady ampiasaina amin’ny fomba fivarotana. Aza atao ambanin-javatra ihany koa ny toerana, indrindra raha resaka varotra ny asa ataonao. Ilaina tokoa ohatra ny fisian’ny toerana fijanonan’ny fiara raha toa ka toeram-pivarotana na toerana fisakafoanana ny sehatra hanangananao orinasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo