• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Slate.Fr
Image
Asa & Fianarana

Ankizy tsy mety mandeha mianatra, ndao resahana !

08/02/2023 06:05 © Moov.Mg

Misy fotoana ny ankizy mety kamokamo kely handeha hianatra. Maro ny antony mety mahatonga izany fahalainana izany. Tsy azo atao ny manaraka an-jambany ny fihantan’ny ankizy, nefa koa mila mitandrina ihany koa mba tsy hanery azy amin’ny tsy rariny. Inona avy ireo antony mahatonga ny ankizy tsy mety handeha hianatra ary inona no tokony ataontsika ray aman-dreny manoloana izany ?

Ireo antony tsy mampazoto ny ankizy hamonjy lakilasy

Anisan’ny antony tsy mampazoto handeha hianatra ny ankizy iray ny tsy fahasalamana. Raha toa ny zanakao ka mampiseho soritr’aretina toy ny hoe manavy na marary loha amin’ny fotoana andavany mianatra dia aleo izy tsy terena. Ny mety dia entina manantona mpitsabo izy ahafantarana izay mahazo azy marina, ary hitsaboana azy raha ilaina. Ny antony hafa tsy mampazoto hianatra ny zaza dia ny fitaintainana na ny tahotra : ohatra hoe misy ankizy na mpampianatra mampitahotra azy. Ny disadisa na adiady ao an-tokantrano ihany koa dia miteraka fikorontanan-tsaina amin’ny zaza ka mahatonga azy tsy mazoto hamonjy sekoly.

Ireo tokony ataon’ny ray aman-dreny

Ny zavatra voalohany tokony ataon’ny ray aman-dreny dia ny miezaka mandrisika ny zanany handeha hianatra. Raha toa ity farany ka mandà hatrany dia mila fantarina ny antony tsy mampazoto azy. Ny fifampiresahana am-pitoniana aminy no fomba iray hahafantarana ny olana. Anjaranao ray aman-dreny kosa avy eo no mandresy lahatra sy mampitony azy mba tsy hisy ahiahy intsony ary hazoto hianatra indray. Raha toa ka tsy mahomby ny ezaka ataonareo ray aman-dreny dia afaka manantona ireny « pédopsychologue » ireny ianareo. Efa mihamaro ireo manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny sain’ny ankizy ireo eto Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo